Asabotsy 15 Febroary 2020

Mitoria ny teny, mazotoa, na amin’ny fotoana, na tsy amin’ny fotoana, mandrese lahatra, mampirisiha, mananara mafy. 2 Timoty 4:2

Mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra. Matio 28:19

 

Takela-by mpanondro lalana

Rehefa andro tsena, isaky ny asabotsy maraina, dia mijoro eo ambadiky ny talantalany ilay mpivarotra Baiboly, eo anelanelana mpivarotra tantely sy mpivarotra voankazo sy anana. Talantalana kely dia kely ny azy : latabatra iray misy Baiboly sy Testamenta Vaovao vitsivitsy. Mandalo ny olona ; ny sasany miarahaba mangingina sy mitsiky ; ny hafa manao dia maika, rehefa eo alohan’ilay talantalana, na mitodi-damosina mihitsy aza.

Nanatona ity olona iray : — Teto hatrany ianao, tompoko, nandritra ny valo taona, na manao ahoana na manao ahoana ny toetrandro ; tsy dia nahita mpividy firy teto aminao aho. Mandeha ihany ve izy izao e ?

— Ianao ve, tompoko, manontany takela-by mpanondro lalana, hoe mandeha tsara ve ny zavatra ataony ? Inona moa no asany ? Tsy ny hanoro anao ny lalana ve ? sa ahoana ? Izany koa no asako eto : manoro lalana an’izao tontolo mihazakazaka mafy kokoa hatrany izao, sy mizotra ho amin’ny fahaverezana. Ity boky atolotro anao ity dia Testamenta Vaovao, fizarana faharoa amin’ny Baiboly. Ny fizarana efatra voalohany ao amin’ny Testamenta Vaovao dia ireo filazantsara efatra. Samy mampiseho ny fiainan’i Kristy izy ireo. Fantatrao ve ny fomba nahafatesan’i Kristy ?

— Ie, nohomboana teo amin’ny hazofijaliana Izy.

— Ny hampiseho anao izany indrindra no asa anirahana ahy. Ny hazofijalian’i Kristy dia manavaka ny olombelona ho antoko roa : ireo izay mino fa Jesosy dia nanonitra ny fahotan’izy ireo teo amin’ny hazofijaliana ; ary ireo izay tsy mino izany, ka mitoetra ho very satria tsy mila ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra. Hoy Jesosy : “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako” (Jaona 14:6). Raiso ity Testamenta Vaovao ity, vakio ny tantaran’ny nanomboana an’i Jesosy. Teo, Ilay hany Marina dia maty ho antsika tsy marina.