Alakamisy 13 Febroary 2020

(Hoy Hana, renin’i Samoela :) Ny hahazoako ity zazalahy ity no nivavahako ; dia nomen’i Jehovah ahy izay nangatahiko taminy. Koa atolotro ho an’i Jehovah kosa izy : eny, amin’ny andro rehetra hiainany dia voatolotra ho an’i Jehovah izy. 1 Samoela 1:27-28

 

Ny fiovam-pon’i Hudson Taylor

Hoy ny fitantaran’i Hudson Taylor, ilay “apostoly” lehibe tany Chine :

“Indray andro izay, tsy ho hadinoko mihitsy, tamin’izaho dimy ambin’ny folo taona, dia tany amin’ny 130 km lavitra ahy tany ny reniko. Nitady boky tany amin’ny tranomboky aho, handaniako andro… Nisafidy boky kely ara-pilazantsara aho, nanao anakampo hoe : tsy maintsy misy tantara mahaliana ato, sy anatranatra. Hovakiako ny tantara, fa havelako ny anatranatra. Dia nipetraka aho, nanomboka namaky, tsy niraharaha izay mety ho resaka ara-pivavahana…

Tsy nampoiziko velively izay zavatra nitranga tao am-pon’ny reniko, tamin’io fotoana io. Hay tamin’io tolakandro io indrindra izy dia tena naniry fatratra hahita ny zanany lahy hiova fo. Rehefa avy nisakafo antoandro izy dia niditra tao an’efitranony, nanidy varavarana, tapa-kevitra tsy hivoaka tao raha tsy efa mivaly ny vavaka hataony. Ora maro no nifandimby, nivavaka ho ahy izy, mandra-pahazony antoka tamin’ny Fanahy Masina fa efa niova fo tokoa ity zanany lahitokana.

Nandritra izany fotoana izany aho, namaky ilay boky kely. Tsy ela dia nisy teny nanaitra ahy : “ny asa notanterahin’i Kristy”… Koa raha tanteraka ny asa, dia inona sisa no tokony hataoko ?... Teo no ho eo dia namirapiratra tao am-poko ny hazavana avy amin’ny Fanahy Masina, ary nahazo faharesen-dahatra mahatretrika aho, hoe tsy misy na inona na inona atao intsony, afa-tsy ny mandohalika, manaiky handray io Mpamonjy io sy ny fitiavany, ary midera an’Andriamanitra ho mandrakizay. Nandritra ny fotoana nisaoran’ny reniko an’Andriamanitra, dia izany koa no nataoko, tao amin’ilay trano fivarotana tranainy izay nisintahako mba hamaky ilay boky kely.”