Alarobia 12 Febroary 2020

Mifalia amin’ny vadin’ny fahatanoranao... Ary aoka ho feno faharavoravoana lalandava amin’ny fitiavany ianao. Ohabolana 5:18, 19

Koa dia tandremo ny fanahinareo, ary aoka tsy hisy hamitaka ny vadin’ny fahatanorany. Fa halako ny fisaoram-bady, hoy Jehovah. Malakia 2:15, 16

 

Ny Baiboly dia miresaka momba ahy … sy momba anao (2)

“Ry fitiavana, ry fitiavana, rehefa tratranao izahay”, hoy ilay angano izay. Eny tokoa, tsy nofinofintsika rehetra ve ny hahita ilay tena fitiavana, dia hihazona izany ? Boky iray manontolo, antsoina hoe “Tononkiran’i Solomona”, no atokan’ny Baiboly momba izany lohahevitra izany, amin’ny alalana sarinteny.

Nofinofy ve ankehitriny ny mikaroka fitiavana tsy afo mololo, fa maharitra mandritra ny fiainana manontolo ? Fitiavana mihalehibe sy mihamatotra, arakaraka ny androsoan’ny taona, ary tsy manala na inona na inona amin’ny fifalian’ny mpivady ?

Fitiavana toy izany, eo amin’ny lehilahy iray sy vehivavy iray, no fijerin’ny Baiboly ny fitiavana ao amin’ny fanambadiana. Hentitra ny Baiboly, manambara fa azo tanterahina tsara izany ! Tsy hoe hampiteraka nenina ho an’ireo izay tsy niaina izany tsy akory, fa kosa hanome ny rariny tandrify Ilay Andriamanitra namorona io fifamatorana ara-panambadiana io, mba tena hahasambatra ny mpivady. Na oviana na oviana, ny fitiavana lazain’ny Baiboly dia tsy manosika ho amin’ny fijangajangana, izay mitarika fahoriana. Maneho amintsika kosa izy fa ny fitiavan’ny mpivady dia mitory finoana izay sitrak’Andriamanitra hahasoa ny olona noarìny, fa tsy fihetsehampo fotsiny ihany. Hanavao sy hikolokolo izany fitiavana izany Andriamanitra, raha miankina aminy isika. Izany hoe aoka isika hivavaka aminy am-patokiana ary hiara-mamaky ny Teniny.

Nitia antsika Kristy, ka nanolotra hatramin’ny ainy mihitsy, ho antsika. Ary taomina ny lehilahy rehetra mba hanao toy izany amin’ny vadiny, izany hoe hitia azy tahaka ny tenany (Efesiana 5:25-29). Na inona na inona toerana iainantsika ankehitriny, dia aoka hokatsahintsika fatratra ny hino izay lazain’ny Baiboly sy hiverina amin’ny fampianarany, matoky an’Andriamanitra mba hanampiany antsika amin’izany.