Alahady 9 Febroary 2020
Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana ; nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy famantarana ny amin’i Jona mpaminany ; fa tahaka ny nitoeran’i Jona hateloan’andro sy hateloan’alina tao an-kibon’ny hazandrano lehibe, dia toy izany no hitoeran’ny Zanak’olona (Jesosy) hateloan’andro sy hateloan’alina ao anatin’ny tany. Matio 12:39-40
Nandritra ny fiainany teto an-tany, Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, dia naha mahimahina sy nozimbazimbain’ireo mpitari-pivavahana tamin’izany fotoana izany, izay te haka fanahy Azy. Nangatahin’izy ireo Jesosy hanao famantarana misongadina, fahagagana manaporofo fa Izy tokoa no Ilay nirahin’Andriamanitra. Nefa tsy vonona hino izy ireo, tao am-pony lalina tao, na dia izay hitan’ny masony aza.
Porofon’izany ny tsy ninoan’izy ireo ilay fahagagana lehibe indrindra, dia ny famantarana ny amin’i Jona, izany hoe ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny andro fahatelo, taorianan’ny nahafatesany. Nefa Jesosy dia nanambara izany tamin’izy ireo. Ary nandray fepetra avy hatrany mihitsy aza izy ireo, hanakanana izany tsy ho tanteraka (Matio 27:63-66). Samy tsy nahasakana ny fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty anefa, na ny vato voaisy tombo-kase, mba tsy hahafahan’ny fasana misokatra, na ny mpiambina napetraka teo amin’ny manodidina. Niharihary teo anatrehan’ireo mpitondra fivavahana ireo izany, nefa dia tsy nanaiky hino izy ireo. Koa nomeny vola ny mpiambina, mba hanely tsaho hoe nangalarin’ny mpianatra tamin’ny alina ny fatin’i Jesosy (Matio 28:11-15).
Ireo toejavatra ireo dia mampiharihary fa tsy ny fahagagana no manana hery handresy lahatra ny olona, fa ny Tenin’Andriamanitra irery ihany. Tsy miantehitra amin’ny zavatra hita maso ny finoana, na dia zavatra mahatalanjona aza no mitranga ! Jesosy moa mahalala rahateo izay ao am-pon’ny olona, ka tsy natoky ireo izay nanaraka Azy satria nahita fotsiny ireo fahagagana nataony (Jaona 2:23-25).
“Ny finoana dia avy amin’ny toriteny, ary ny toriteny kosa avy amin’ny tenin’i Kristy” (Romana 10:17). “Sambatra ... izay tsy nahita, nefa nino” (Jaona 20:29).