Asabotsy 8 Febroary 2020
Fa zava-dratsy roa loha no nataon’ny oloko : efa nahafoy Ahy, loharanon’aina, izy, ka nihady lavaka famorian-drano ho an’ny tenany, nefa lavaka mitriatriatra tsy mahatan-drano. Jeremia 2:13
Tafaraka tamina namana mpiara-mianatra vitsivitsy aho, tao amina efitrano fivoriana kristiana tany Toulouse (Frantsa). Nitsangana ny mpitoriteny ary namaky io andininy voalaza eo ambony io. Nony avy eo dia nijery anay izy ary nanontany hoe : “Inona ireo zava-dratsy roa lazain’io lahatsoratra io ?”
Taitra aho ka namerina namaky ilay lahatsoratra, satria tsy dia tena niezaka ny hahatakatra izay lazainy mihitsy, hatramin’izay. Dia hoy indray ilay mpitoriteny : “Ny “zava-dratsy” voalohany dia ny nahafoizana ny Tompo, ary ny faharoa dia ny nikelezana aina fatratra hitady fomba hafa hamenoana ny fiainan’ny tena.
Eto amin’ity tenin’ny mpaminany Jeremia ity, Andriamanitra dia miresaka amin’ny Israely, ilay vahoakany hitoetra etỳ an-tany. Nefa voakasik’izao antso izao koa isika rehetra eto, izay anisan’ny fitambaran’ny kristiana, ny vahoakany mivahiny eto an-tany ankehitriny. Itataovan-doza isika hahafoy ny fampianaran’ny Baiboly, ka ho voataonan’ny fivilian-dalana miha ratsy kokoa hatrany ato amin’ny fiarahamonina manodidina antsika. Ary tsy vitan’izany ihany, fa mety halaim-panahy koa isika hitady loharano hafa hamelombelona, ao amin’ireo fialambolin’izao tontolo izao. Mampitandrina antsika Andriamanitra : “lavaka famorian-drano ... mitriatriatra” ireny, siny loaka tsy mahatan-drano.
Ry tanora, ry mpivady tanora, aza miala amin’ny “loharanon’aina”, aza mahafoy ny fiainana miaraka amin’ny Tompo. Miezaka hanana asa azo antoka ianao ; ilaina izany. Nefa aza hadino ny tena zava-dehibe : tsy eto no misy izany. Miaraka amin’i Jesosy irery ihany no hahafahanao manorina fahasambarana maharitra.”
Ny harivan’io, rehefa tafaverina tao an’efitrano keliko aho, dia nanoratra tao anatin’ny karine-ko manokana hoe : Hisotro amin’ilay loharanon’aina aho.