Zoma 7 Febroary 2020

Ny Anjelin’i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy. Salamo 34:7

Epafra ... mpanompon’i Kristy Jesosy ... mikely aina mandrakariva amin’ny fangatahana ho anareo. Kolosiana 4:12

 

Miaramila enina ambin’ny folo izy ireo

Nisy kristiana roa lahy, misionera tany Malaisie, nankany an-tanàn-dehibe mba haka vola any amin’ny banky. Ary satria lavitra loatra ny lalana mbola hiverenana, dia nanapa-kevitra hilasy teny an-dalana izy ireo. Fandalovan’ny jiolahy moa ilay toerana, ka dia nangataka tamin’Andriamanitra izy ireo mba harovany, ary dia natory tam-pilaminana.

Fotoana vitsivitsy taorianan’izay dia nisy lehilahy iray tonga mba hitsabo tena tao amin’ny toeram-pitsaboan’ny misiona. Nandinika tsara ilay dokotera niondrika teo aminy izy, ary nilaza ho efa nahita azy, sady nanazava hoe : “Nilasy teo amina havoana iray ianareo, herinandro vitsivitsy lasa izay”. Gaga be ilay dokotera, ary mbola nanohy ilay marary hoe :

“Nanara-maso anareo izaho sy namako vitsivitsy, satria fantatray fa nisy vola tany aminareo. Niandry ny alina izahay mba hanafika sy hanendaka anareo, saingy rehefa tonga teo amin’ny toerana nilasianareo izahay, dia tsy sahy namely anareo, noho ireo miaramila. Enina ambin’ny folo izy ireo, samy nitana sabatra”.

Nihomehy ilay misionera, ary nilaza fa tsy nisy miaramila, na iray aza, niaraka tamin’izy ireo. Nefa nanitrikitrika ny nambarany ilay jiolahy, ka tsy nanohitra intsony izy, ary nihevitra fa azom-pahitana foronin’ny eritreritra ilay marary…

Rehefa nody tany Londra (Angletera) izy ka nitantara izany zavatra izany, dia nisy olona iray nanatona azy, nanontany ny andro nitrangan’izany. Tsaroan’ilay mpitsabo ny daty marina, ary hoy ilay niresaka taminy : “Nanao fivoriam-bavaka izahay tamin’io hariva io, ary nisy olona iray nivavaka manokana ho anareo. Tiako ny manamarika fa enina ambin’ny folo izahay no tao”.

Ry kristiana, izany tantara izany dia mampiseho fa fitaovam-piadiana mahomby ny vavaka. Ny kristiana iray mandohalika mivavaka, dia manjary toy ny miaramila mitam-piadiana any an’ady, noho ny herin’Andriamanitra.