Alakamisy 6 Febroary 2020
(Hoy Andriamanitra :) Làlam-pahendrena no atoroko anao ; eny, mitarika anao amin’ny làlana mahitsy aho. Raha mandeha ianao, dia tsy ho èty ny làlanao ; ary raha mihazakazaka ianao, dia tsy ho tafintohina. Ohabolana 4:11-12
Nehemia dia mpanompon’i Artaksersesy, mpanjakan’i Persia, tany Sosana (Nehemia 1:1 ; 2:1). Nanana toerana nampitsiriritra izy tao. Kanefa tsy tao Sosana ny fony, fa tany Jerosalema, tanànan’ny razany, izay rava tamin’izany fotoana izany. Koa naniry hiresaka amin’ny mpanjaka momba io tanàna io izy. Ny mpanjaka mihitsy anefa no niteny voalohany, nanontany hoe : “Inona ary no angatahinao ?” (2:4). Talohan’ny namalian’i Nehemia, dia nivavaka tamin’Andriamanitra izy, vavaka maika sy tonga ho azy, vavaka “zana-tsipìka”. Ary dia nomen’ny mpanjaka fahafaham-po ity mpanompony !
Indraindray isika dia voatery hanome valinteny maika, ka tsy nanam-potoana hitadiavana ny sitrapon’Andriamanitra. Inona àry no hatao ? Tahaka an’i Nehemia, dia mivavaka eo no ho eo amin’ny Tompo, manandratra eritreritra tsotra any aminy, miantso vonjy…
Na maika ny toejava-misy na tsia, dia te hitari-dalana antsika ny Tompo. Raha tsy maintsy manome valinteny haingana isika, dia hiasa malaky ao anatintsika ny Fanahin’Andriamanitra ! Ao anaty ampahan-tsegondra iray Izy dia afaka hampita amintsika tomban-tsaina momba ny valinteny tokony homentsika. Hainy apetraka ao an-tsaintsika ihany koa izay andinin-tSoratra Masina tandrify ilay toejava-misy. Ho takatsika mora kokoa izay tokony hatao na holazaina, arakaraka izay namelantsika mialoha ny Tenin’Andriamanitra hiditra sy “hitoetra” (Kolosiana 3:16) ao anatintsika.
Na inona na inona mitranga, ary na dia tsy azontsika an-tsaina aza izay tokony havalintsika, ny zava-dehibe dia ny milamina sy matoky. Dia hitarika antsika ny Tompo, angamba tsy tsapantsika akory, ary na eo aza ny fahalementsika. Homeny antsika koa ny filaminan-tsaina sy fahatoniana.