Alarobia 5 Febroary 2020
Fa ny olona kosa maty ka miampatra ; eny, miala aina ny olona, ary aiza izy ?... Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy ? Joba 14:10, 14
Fa aiza no hahamarina ny zanak’olombelona eo anatrehan’Andriamanitra ? Joba 9:2
Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy. Joba 19:25
Manjohy ahy andro aman’alina ireto fanontaniana ireto : Inona no dikan’ny fiainako ? Avy aiza aho, ary ho aiza ? Nahoana no misy ny fijaliana sy ny faharatsiana … ? Hanome valiny ho antsika ve ny tantaran’i Joba ?
Io lehilahy resahin’ny Baiboly io dia niaina fiainana ara-pivavahana tsy nisy hokianina. Indray andro anefa dia nitsimbadika ny fiainany, noho ny fahoriana maro nifanesy, tsy takatry ny saina. Noho izany dia nametra-panontaniana maro izy. Rehefa tsy misy manjary intsony ny toejavatra, dia mametra-panontaniana ny amin’ny zava-drehetra ny saintsika marefo. Rehefa nijaly i Joba dia sahy nanome tsiny an’Andriamanitra, sahy niampanga Azy ho loharanon’ny zava-dratsy rehetra nihatra taminy. Tsy toy izany koa ve, na mitovitovy amin’izany, no ataontsika rehetra, amina andro iray tsy ampoizina ? Ary rehefa mandeha tsara ny zava-drehetra, matetika ve isika tsy miaina toy ny hoe tsy misy Andriamanitra ? Avy eo anefa dia ampangaina Izy rehefa miavosa ny olana, ary tsy tsapa akory hoe mifanipaka anie ireo fihetsika roa ireo !
Raha toa izaho sy ianao mahita ny tenantsika ho toa an’i Joba, ny tokony hataontsika dia ny mandeha hatrany amin’ny faran’ny nataony, izany hoe miaiky fa avy amin’Andriamanitra ny aintsika, ary tsy misy na iza na iza afaka hanadina Azy. Raha toa isika niaina tsy niraharaha izay notadiaviny tamintsika, dia mila manonitra izany ankehitriny. Nefa tsy afaka hanao izany amin’ny herin’ny tenantsika isika. Ny finoan’i Joba dia niantehitra tamin’Ilay “Mpanavotra” azy, izany hoe tamin’Ilay afaka nisolo toerana azy mba hanonitra ny tambin’ireo fahadisoany.
Ho ahy, io Mpanavotra io dia Jesosy Kristy, tonga teto amin’izao tontolo izao mihitsy mba hanefa ny onitra sahaza ahy. Tokana ny mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia Izy, Jesosy. Rehefa toy izany no fomba fijery, dia misy dikany feno ny fiainako : fantatro fa avy amin’Andriamanitra aho, mankany aminy, ary tsy misy kisendrasendra eo amin’ny fiainako.
(hitohy isan’alarobia)