Talata 4 Febroary 2020
Dia hifaly izay rehetra mialoka aminao ; hihoby mandrakariva izy, koa miarova azy Ianao ; ka dia ho ravoravo aminao izay tia ny anaranao. Salamo 5:11
Ny fifaliana avy amin’i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo. Nehemia 8:10
Tamin’ireo andro manaraka dia nanohy nitsidika mpino hafa tany anaty ala i Ian sy Alan. Nanaitra an’i Alan ny fandraisana feno fitiavana sy fikarakarana natao azy roalahy.
— Tsy azoko mihitsy hoe nahoana no toa sambatra erỳ ireo mponina atỳ anaty ala ireo, nefa anie dia mahantra tsy misy toy izany e, hoy i Alan nanambara ny hagagany, teny an-dala-mody.
— Nahoana hoe ? Satria manana an’i Jesosy Kristy ho Mpamonjy izy ireo, mahafantatra fa voavela helony, ary manana ny fiainana mandrakizay, hoy i Ian namaly.
Dia nitohy tamina ady hevitra lavabe ny resaka. Toy izany no nifampizaran’i Alan sy Ian fanontaniana sy eritreritra, ka tsikelikely teny i Alan dia nahita ihany ny atao hoe fahasambarana manana an’i Jesosy Kristy ho Mpamonjy azy, nahafantatra fa voavela heloka, ary nanana ny toerany voaomana any an-danitra. Tsy ho ela ilay mpanohitra ny fampielezana ny Filazantsara dia hanjary mpitoriteny resy lahatra manambara io Filazantsara io ihany.
Nahoana moa ny kristiana no maniry hanambara ny vaovao mahafaly milaza ny famonjena amin’ireo izay tsy mbola nahare izany mihitsy ? Voalohany aloha, ho fankatoavana ny baikon’i Jesosy Kristy hoe : “Mandehana any amin’izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra” (Marka 16:15). Manaraka izany, satria resy lahatra izy ireo fa tsy misy famonjena afa-tsy ao amin’i Jesosy Kristy irery ihany (Asan’ny Apostoly 4:12), ary te hizara ny fifaliana vokatry ny fahafantarana fa tian’Ilay Andriamanitra velona sy feno famindrampo. Na izany aza anefa, ny fitoriana ny Filazantsara dia tsy maintsy atao amin’ny fanajana ny hafa sy araka ny fitiavana ambaran’io Filazantsara io.
Maty teo amin’ny hazofijaliana Jesosy Kristy.
Mba hamonjy ahy no nanaovany sorona ny tenany.
Ny hitantara sy hihira izany fanomezan-dehibe izany,
No anjara asa nanirahana ahy ankehitriny.
Amboaran-kira “Taratra”