Alatsinainy 3 Febroary 2020
Hataony ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany ? Ary hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny ? Ary hataony ahoana no fandre, raha tsy misy mpitory ? Romana 10:14
Alan, mpampianatra any amin’ny oniversite, sy Ian, misionera, dia mpifanolo-bodirindrina ao amina tanàn-dehibe iray any Kolombia. Alan dia tsy mankasitraka ireny “misionera tokony hanatsahatra ny faniriany hanova ny kolontsain’ny Kolombiana” ireny. Na izany aza anefa, tamin’ity indray mandeha ity izy dia te hiara-dia amin’i Ian, izay hitsidika kristiana any anaty ala. Ny hany antony nanosika an’i Alan dia ny hahafantatra ny ala mikitroka. Tsy nafenin’i Ian taminy ny fahasarotana : dia an-tongotra mandreraka maharitra ora maro, loza mety hitranga, alohan’ny hahatongavana any amin’ilay fialofana kely fivorian’ny mpino. Ary Alan koa ve ho liana amin’ny fampianarana Baiboly isan-kariva e ? “Aza manahy ianao, hotampenako ny sofiko mba tsy handre”, hoy i Alan nanaraby. Nanaiky ihany i Ian nony farany, noho ny fisisihan’i Alan, saingy nangataka an’Andriamanitra mba hitantana ny zava-drehetra.
Tonga ny andro, ary rehefa nampiasa karazana fitaterana sy nandeha an-tongotra nandritra ny ora maro izy roa lahy, dia tonga ihany teo amina trano bongo iray tany afovoan’ny ala. Nifanohitra tamin’ny fifalian’ireo olona tao ny fahantran’ilay toerana. Noraisina tam-pitiavana i Ian sy Alan, niara-nihinana tamin’ireo tompon-tany ny sakafo tsotra dia tsotra naroso azy roa lahy. Nony hariva ny andro, dia tonga ny mpiara-monina. Niantomboka ny hira, hafatra avy ao amin’ny Baiboly, ary fifanakalozan-kevitra, teo amin’ilay toerana nohazavaina “labozia”, izay tsy inona fa lahin-jiro nalòna fotsiny tao anaty boaty kely misy diloilo. Voatery i Alan nitazona ilay jiro tamin’ny tanany ilany, mba hahafahan’i Ian mamaky ny Baiboly, ary ny tanany ilany kosa mikopaka ireo bibikely marobe voasinton’ny hazavana. Koa dia tsy afaka nitampin-tsofina izy !
Taorianan’izany fotoana niarahana tam-pifaliana izany, dia tonga ny ora hialana sasatra ho an’ireto vahiny, tao amina toerana tsizarizary, talohan’ny hiaingana ny ampitso maraina.
(rahampitso ny tohiny)