Alahady 2 Febroary 2020
... hamaka sy hiorina mafy amin’ny fitiavana ianareo, mba hahaizanareo mbamin’ny olona masina rehetra ny hahafantatra tsara izay sakany sy lavany ary haavony sy halaliny, ary hahalala ny fitiavan’i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana... rehetra. Efesiana 3:17-19
Ny fitiavan’Andriamanitra dia mihoatra lavitra
Noho izay hain’olombelona lazaina.
Mandiso fanantenana sy mandalo avokoa ny eto an-tany,
Fa ny fitiavany ihany no tsy mba miova.
Na fitsapana na fahoriana, na loza na alahelo,
Tsy mahasaraka na oviana na oviana
Ireo olona tiany amin’ny fitiavany,
Amin’ilay fitiavany lavorary.
Ry fitiavan’Andriamanitra, iza no hahalaza
Ny fahafenoanao sy ny hatsaranao ?
Raha hihira anao sy hanambara anao,
Dia mila ny mandrakizay izahay.
Amin’izay izahay dia efa natao mitovy
Amin’i Jesosy Kristy feno voninahitra,
Ka hahatakatra ilay fitiavana tsy manan-tsahala,
Ilay fitiavan-dehiben’Andriamanitra.
Ruth Demaurex
“Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika” (Romana 8:38-39).
“Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay” (1 Korintiana 13:8).