Asabotsy 1 Febroary 2020

Indro, tonga fiadanana ilay fahoriana mangidy dia mangidy nanjo ahy, ary ny fitiavanao no namonjenao ny fanahiko tsy hankany amin’ny lavaka fahalevonana ; fa narianao teo ivohonao ny fahotako rehetra. Isaia 38:17

Fa fahafatesana no tambin’ny ota ; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika. Romana 6:23

 

Andriamanitra tsy miova hevitra

Dieny any am-boalohan’ny Baiboly, Andriamanitra, Ilay Mpahary antsika, dia efa mampiseho fa mitady izay hahasambatra antsika. Napetrany tao anaty tontolo lavorary sy mahafinaritra ny olombelona noarìny, ary nomeny tombontsoa ho afaka mifandray aminy. Nomeny andraikitra ihany koa izy hankatò Azy. Saingy tsy ela akory dia tsy nankatò ny olombelona, ka nanjary mpanota, nanomboka teo (Romana 5:19). Taloha dia olona afaka sy sambatra araka ny sitrapon’Andriamanitra izy, fa izao kosa dia anaty tomany, ary iharan’ny fahoriana sy ny fahafatesana, satria ... tsy nankatò. Ny tsy fankatoavana no antony nampisy ny ratsy manerana izao tontolo misy antsika izao.

Andriamanitra anefa tsy miala amin’ny faniriany hanao izay hahasambatra ny olombelona. Taominy hibebaka izy ; tiany “ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina” (1 Timoty 2:4). Ny hoe mahalala ny marina, aloha, voalohany indrindra, dia manaiky fa ratsy hatrany am-piandohana ny ivon’ny fisaina sy fitiavantsika, izany hoe ny fontsika. Ary manaraka izany, mandray ny fanafana atolotr’Andriamanitra antsika. Tonga Jesosy Kristy Zanany mba hamonjy ny olona latsaka tao anatin’ny fahotana, ary natolony ny ainy mba hanavotany azy. Rehefa manaiky Azy ho Mpamonjy, dia omeny aim-panahy vaovao. Ireo rehetra miaiky fa mpanota dia mahazo famelan-keloka sy fiainana mandrakizay. Tsy nanana fifandraisana tamin’Andriamanitra izy ireo fahiny, fa ankehitriny kosa, noho ny fiainan’i Kristy, dia tafaray aminy. Raisin’Andriamanitra ho zanany izy ireo. Vao nitsangana tamin’ny maty Jesosy, dia niteny tamin’i Maria hoe : “Mandehana mankany amin’ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe : Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo” (Jaona 20:17).