Zoma 31 Janoary 2020

(Hoy Jesosy :) Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Matio 11:28

 

Fampanantenan’Andriamanitra

Niova haingana dia haingana ny fiarahamonina tato anatin’ireto taona faramparany ireto, hany ka maro ny olona no tsy mahita intsony izay hitodihana mba hahitana firindram-piainana. Ny sasany dia mamoy fo manoloana hoavy tena manjavozavo. Amin’izao fotoanandro ankehitriny izao, atosika ny olona handà izay rehetra mety ho fitsipika ara-pitondrantena, mba hanana fahalalahana manoloana ny firaisana ara-nofo, ny fisaraham-panambadiana, ny fanalan-jaza, ny zava-mahadomelina, sns. Ny hambon’ny olona hanapa-kevitra samirery momba ny atao hoe tsara na ratsy, dia mitarika azy hanao ho mahazatra, ary hanao ho ara-dalàna mihitsy aza indraindray, ireo karazana fanao sy fihetsika melohin’Andriamanitra. Ny faneren’ny vahoaka no mahatonga ny fitondram-panjakana hamorona lalàna manindrahindra ny fahafahana, hono, kanjo mahatonga ho andevon’ny filana sy mitarika ho amin’ny fahalevonana.

Fa ho an’ireo izay tsy mahazo aina kosa, manoloana izany rehetra izany, ary feno tebiteby noho io fivoaran-javatra io, dia manolotra hafatra mahafinaritra Andriamanitra : tonga hanafaka antsika ny Zanany. Natao ho an’ny olona rehetra izany vaovao mahafaly izany, na ho an’ireo tsy miraharaha na ho an’ireo feno tebiteby, na ireo kivy na ireo manao ny tenany ho afa-po. Aza mihevitra fa hihatsara ny toejavatra ankapobeny : “Ny ratsy fanahy … dia handroso hiharatsiratsy kokoa” (2 Timoty 3:13).

Miresaka manokana aminao Andriamanitra. Manoloana hoavy tena tsy ampoizina mihitsy toy izany, dia aza mangataka andro, fa sokafy ny Baiboly ary vakio ireo filazantsara. Jesosy Kristy dia hanome anao fiainam-baovao, fahazoana antoka momba ny hoavy, ary fiadanam-po tsy hay soloina : “Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo ; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo” (Jaona 14:27).