Alakamisy 30 Janoary 2020
Miambena ianareo, tomoera tsara amin’ny finoana, aoka hitomban-dahy, mahereza. 1 Korintiana 16:13
(Hoy Jesosy :) Mitana mafy ny anarako ianao ka tsy nandà ny finoana Ahy...
Izay anananareo dia tano mafy mandra-piaviko. Apokalypsy 2:13, 25
— Tohero ireo modely aseho anareo ao anaty gazety boky, fampielezampeo, fahitalavitra sy internet, izay miresaka fitiavana, kanefa mihevitra filibana ary mitarika mankamin’ny faharavana ara-toe-panahy.
Hazony mafy Ilay modely, dia Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra, Ilay madio sy masina, Izay nampiseho teo amin’ny fiainany sy ny fampianarany ny tena atao hoe fitiava-namana.
— Tohero ny fampikorontanan-tsaina avy amin’ireo famantarana sy fahagagana tsy ara-Baiboly.
Hazony mafy ilay fahagagana lehibe indrindra, dia ireo ratra nahazo an’i Jesosy Kristy, Izay nanolotra ny ainy teo amin’ny hazofijaliana mba hanavotra antsika, ary nitsangana tamin’ny maty, telo andro taorianan’izany, mba hanamarina antsika.
— Tohero ny filazana fa miray mivantana amin’Andriamanitra ianao, filazana manisika hevitra fa misy “sombiny kely maha Andriamanitra” mitoetra ao aminao.
Hazony mafy ny fanekena fa ratsy tanteraka sady very ny fon’olombelona, ary miankina amin’ny fahasoavan’Andriamanitra irery ihany ny famonjena.
— Tohero ny kolontsaina fanalana andro, efa miely fatratra na dia eo anivon’ny kristiana aza ; aza mihaino ireo izay manao resaka tsy manaja an’Andriamanitra.
Hazony mafy Ilay Andriamanitra Ray, Zanaka ary Fanahy Masina, Izay masina sady marina, fitiavana sy famindrampo ; Izy no tokony hohajaina sy homem-boninahitra ary hitsaohana.
— Tohero ny fisafotofotoana ara-pivavahana ateraky ny fitarihan’izao tontolo izao sy foto-pampianarana tsy ara-Baiboly ao anatin’ny fivavahana kristiana.
Hazony mafy ilay hany marina, dia ny Baiboly irery ihany, Jesosy irery ihany, ny fahasoavana irery ihany ary ny finoana irery ihany !