Alarobia 29 Janoary 2020

Fa ankehitriny izao dia ora tokony hifohazanareo amin’ny fatoriana ; fa ankehitriny ny famonjena antsika dia akaiky noho ny tamin’ny andro vao ninoantsika. ... Koa aoka hariantsika ny asan’ny maizina ka hitafiantsika ny fiadian’ny mazava. Romana 13:11, 12

Hampahazava anao Kristy. Efesiana 5:14

 

Ahirato ny masonareo, ry tanora, fa fitahina ianareo ! (3)

Hoy ny olona aminareo : “Aoka ianareo ho liana amin’ny fanompoana fanahy hafa —majia, filalaovana ody, fahalalana miafina—, dia hanana hery sy fahefana mihoatra ny herin'olombelona ianareo !”

Hoy ny Baiboly : “Aoka tsy hisy eo aminao ... na mpanao fankatovana, na mpanandro, na mpanao sikidy, na mpanana ody, na manao ho masim-bava, na mpanadina amin’ny manao azy ho tsindrian-javatra, na mpanao hatsarana, na mpanontany amin’ny maty. Fa fahavetavetana eo imason’i Jehovah izay rehetra manao izany zavatra izany” (Deoteronomia 18:10-12).

Hoy ny olona aminareo : “Mandehana any amin’izay hahitanareo famantarana sy fahagagana, any amin’izay misy fanambarana sy fahitana, ary any amin’izay hiainanareo zavatra tena miavaka !”

Hoy ny Baiboly : “Aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin’Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin’izao tontolo izao. Izao no ahafantaranareo ny Fanahin’Andriamanitra : Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo Jesosy Kristy no avy amin’Andriamanitra ; ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an’i Jesosy dia tsy mba avy amin’Andriamanitra” (1 Jaona 4:1-3). “Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny” (Matio 24:24).

Hoy ny olona aminareo : “Ho sambatra ianareo raha avelanareo ho to ny fanirianareo rehetra sy ny filanareo rehetra !”

Hoy ny Baiboly : “Sambatra izay madio am-po ; fa izy no hahita an’Andriamanitra” (Matio 5:8). “Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana … fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona dia hohelohin’Andriamanitra” (Hebreo 13:4).

(rahampitso ny tohiny)