Talata 28 Janoary 2020
Miverena ianao ... hoy Jehovah ; tsy hampanjombona ny tavako aminareo Aho ; fa mamindra fo Aho. Jeremia 3:12
Fa raha mbola lavitra izy, dia tazan-drainy, ary onena azy izy ka nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nanoroka azy. Lioka 15:20
Tany amina tanàna kely iray any Brésil dia nisy renim-pianakaviana iray nitebiteby. Andro vitsivitsy izay, dia lasa nandeha ny zanany vavy 18 taona, ary nametraka izao taratasy izao : “Hankany Rio aho, fa leon’ity tanàna lavitra tsy misy na inona na inona mitranga ity, te hiaina ny fiainako aho, te hivelatra any an-tanàn-dehibe”. Nandalo ny volana maro, tsy nisy vaovao avy aminy. Nony farany, tsy aritr’ilay reny intsony, ka nangoniny ny tahiriny rehetra ary nankany Rio de Janeiro izy. Rehefa tany izy dia nankao amina trano fakan-tsary iray ary nampanonta ny sariny aman-jatony maro ; avy eo dia nasiany hafatra kely tao ambadik’ireo sary tsirairay. Dia nitety ny lalana rehetra tao an-tanàna izy, niditra tany amin’ny tranom-bahiny, ny trano fijerena sarimihetsika, ary ny tranom-pandihizana tsirairay, ka nametraka ny sariny mba ho hita tsara teo amin’ny efitrano fandraisana. Raha efa izany, tsy nanam-bola intsony izy ka niverina nody.
Indray maraina dia nidina tao amina trano fandraisam-bahiny iray ilay zanany vavy. Niova tanteraka izy, naha antitra azy alohan’ny fotoana ny fiainan-dratsy niainany. Hitany tampoka ny sarin-dreniny, dia noraisiny, nojereny elaela teo, ary navadiny. Dia novakiany izao hafatra izao : “Tsy ahoako izay niafaranao, ary tsy ahoako izay nataonao. Fa miangavy anao aho, modia !”
Ry tovolahy sy tovovavy izay mamaky izao teny izao, mety ho eo am-panimbana tanteraka ny fiainanao angamba ianao izao. Ary ianao olon-dehibe, angamba mety manana takompery tsy hay fafana. Mbola tsy mampamoy fo izany ! Miantso anao Ilay Andriamanitra velona anio, miteny aminao hoe : “Tiako amin’izao maha ianao anao izao ianao, nomeko mba ho voaheloka ny Zanako, nisolo anao. Miandry anao Aho, miverena amiko, tsy hanosi-bohon-tanana anao Aho”.
Araka an’i Paul Washer