Alatsinainy 27 Janoary 2020
Ny faminaniana kosa dia [famantarana] amin’ny mino, fa tsy amin’ny tsy mino. 1 Korintiana 14:22
Fa antomotra ny faran’ny zavatra rehetra ; koa hendre ka mahonona tena ho amin’ny fivavahana. 1 Petera 4:7
Nitady “hitsapa” ny Tompo Jesosy ireo mpitarika vahoaka jiosy, ka nangataka famantarana avy any an-danitra. Hoy Izy namaly azy ireo : “Nony hariva, dia hoy ianareo : Ho tsara ny andro, fa mena ny lanitra… Fantatrareo ny hamantatra ny tarehin’ny lanitra, fa ny famantarana ny fotoana dia tsy hainareo” (Matio 16:2, 3). Nolavin’izy ireo ny porofo mampiharihary ny maha Andriamanitra an’i Jesosy, Izay efa nanasitrana olona malemy, nampitombo mofo mba hamokisana vahoaka be, nanangana ankizivavy tamin’ny maty. Dia mbola nila famantarana hafa ve izy ireo, mba hanamarinana fa Jesosy tokoa no Ilay Kristy nambaran’ny mpaminany ? Ny fangatahan’izy ireo dia nampiseho miharihary ny fandavany tsy hino Azy.
Mandraka ankehitriny ny Tenin’Andriamanitra dia mbola manome famantarana ho an’ny mpino, mba hamantaran’izy ireo ny toetoetran’ny vanimpotoana iainany : “Any am-parany any dia hisy andro mahory. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, … miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, … lozabe, tsy tia ny tsara” (2 Timoty 3:1-3).
Inona no hitantsika manodidina antsika ? Tsy mazava ve fa efa tonga amin’izany andro farany izany isika izao ? Koa inona àry no andrasan’ny kristiana ? Ny fiavian’ny Tompo haka ny Fiangonany hiala amin’ity tontolo mizotra ho amin’ny fitsarana ity (Jaona 12:31). Ny hoe mamantatra ny fotoana dia tsy ny mitady hahalala ny daty hiverenan’ny Tompo tsy akory, satria fahalalana natokana ho an’Andriamanitra Ray ihany izany (Matio 24:36). Ny hoe mamantatra ny fotoana dia ny mahatakatra ireo famantarana mampiavaka izao vanimpotoana iainantsika izao, famantarana ambaran’ny Tenin’Andriamanitra, mba hifohazantsika hiandry an’i Kristy.