Alahady 26 Janoary 2020
Endrey ny halalin’ny harenan’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany ! Fa Izy no niavian’izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony ; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amena. Romana 11:33, 36
Ao aminy no aharetan’ny zavatra rehetra. Kolosiana 1:17
Nandritra ny krizy ara-toe-bola manerantany niandoha tamin’ny taona 2008, dia maro ireo banky tojo fahasahiranana voatery nangataka antoka avy amin’ny fanjakana, mba tsy ho bankirompitra. Tatỳ aoriana, dia fanjakana mihitsy no voatery nitady fanampiana tamina tahirimbola iraisam-pirenena mba tsy ho bankirompitra. Ary aorianan’izany ? Aiza ny antoka farany indrindra ? Rariny raha mitebiteby rehefa misaina izany.
Mihoatra noho izany aza, mety hanontany tena isika hoe iza no miantoka ny fisian’izao tontolo izao, ny fiarahamonina misy antsika, ny fiainantsika. Ny Baiboly no manome valiny antsika.
— Iza no manakana izao tontolo rehetra izao tsy hiverina any amin’ny tsy misy ?
“Ny Zanany (Jesosy) … no … mihazona ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny” (Hebreo 1:2, 3).
— Iza no mihazona eo an-tanany ny fisian’izao tontolo izao ?
“[Jesosy] no Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka” (Apokalypsy 17:14).
— Iza no mihazona ny ain’ny zavamanana aina rehetra ?
“Raha tàhiny ny tenany (ny tenan’Andriamanitra) ihany no heveriny, ka hangoniny ho ao aminy ny fanahiny sy ny fofonainy, dia hiala avokoa ny ain’ny nofo rehetra, ary hiverina amin’ny vovoka ny olona” (Joba 34:14-15).
— Iza no afaka manome ny fiainana mandrakizay ?
“Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay ? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay” (Jaona 6:68).
Ry Mpamonjy tsy miova na oviana na oviana,
Ao aminao no hitoeranay
Mandra-pahatonganay any amin’ny fiainana mandrakizay :
Velona Ianao Jesosy ! Ho velona koa izahay.