Alatsinainy 10 Febroary 2020
(Hoy Jesosy :) Na inona na inona hangatahinareo amin’ny Ray dia homeny anareo amin’ny anarako izany... Mangataha, dia hahazo ianareo. Jaona 16:23, 24
Nilatsaka be ny ranomandry, ka nampitoka-monina ilay trano. Nirahin’ilay renim-pianakaviana ny zanany roa lahy hividy sakafo any an-tanàna, any amin’ny kilometatra maromaro. Teny amin’ny lalambe dia nisy kamiao iray nijanona, ka nilaza tamin’izy roa lahy ilay mpamiliny hoe afaka mitondra azy ireo any an-tanàna. Ary rehefa nametraka azy ireo izy, dia niteny koa hoe :
— Raha tonga eto amin’ity sampanan-dalana ity ianareo afaka roapolo minitra, dia raisiko indray hiara-miverina amiko. Mandalo eny akaikin’ny tranonareo eny mantsy aho.
Rehefa nahazo ny zavatra tokony novidiny izy mirahalahy, dia niverina hamonjy ilay toerana nifanaovana fotoana. Saingy nandalo teo akaikina trano nisy fivoriana kristiana izy ireo, ka nahare olona nihira.
— Fivoriam-bavaka izany, andao hankao, hoy ilay zokiny.
— Ie, kanefa tsy hahatratra ilay kamiao anie isika e !
— Andao hangataka amin’ny Tompo, izao, dia hisy olona hafa hitondra antsika.
Ary teo, tao anaty ranomandry izy roa lahy no nivavaka tamin’ny feo mafy, dia nankao amin’ilay fivoriana. Rehefa nirava izy ireo dia nandeha an-tongotra ho eo amin’ilay toerana nifanaovana fotoana. Tsitapitapitrizay dia nisy kamiao nijanona : tsy iza fa ilay teo ihany !
— Azafady, rankizy, fa tara adiny iray aho, hoy ilay mpamily talohan’ny nanaterany azy mirahalahy teo akaikin’ny tranony.
Aza misalasala isika, mivavaka amin’ny Tompo Jesosy rehefa misy zava-manahirana. Fantany amin’ny antsipiriany kely indrindra izay ilaintsika, ary midadasika ny loharanon-kery ananany. Aoka isika hatoky Azy, satria tia antsika Izy, ary matetika no mamaly mihoatra lavitra noho izay sahintsika angatahina aminy.