Alakamisy 23 Janoary 2020

Ny finoana no fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita. Hebreo 11:1

 

Manapa-kevitra ny hino

Ilay mpanoratra amerikana antsoina hoe Sheldon Vanauken dia nitantara ny ady tao anatiny, talohan’ny niovany fo, tany Oxford (any Angletera). Nanontany tena izy hoe inona moa no anjara asan’ny porofo, eo amin’ny sehatry ny finoana. Izao no nosoratany :

“Misy tevana, manelanelana ny zavatra heverina ho mety nitranga, sy ny zavatra hita porofo. Ahoana no handinganana io tevana io ?” Mba hahafahany mino fa nitsangana tamin’ny maty Kristy, dia nila fahazoana antoka izy, nila porofo, toy ireo nomen’i Kristy ny mpianany ; ohatra, ny nihinanany hazandrano kely taorianan’ny nitsanganany tamin’ny maty. Nilaza anefa i Sheldon hoe : “Tsy mba nisy toy izany rehetra izany teo amiko. Saingy nipetraka tamiko ihany, na izany aza, ny fanontaniana hoe : hanaiky an’i Kristy ve aho sa handà Azy ? Marina fa fanamby tena nampihorohoro ahy ny hoe hanapa-kevitra hanaiky, kanefa ahoana koa raha mandà ? Tsy nisy na inona na inona azoko antoka : Andriamanitra ve, sa tsia, i Jesosy ? Tena tsy tantiko ! Kanefa tsy afaka handà an’i Jesosy Kristy aho. Zavatra tokana sisa no azoko atao : mamela any ivohoko ny hantsana iangonan’ireo tsy fananako antoka, miova lalana, ary mandingana ireo fisalasalako ka mizotra mankeny amin’i Jesosy.”

Ho an’ny sasany dia fanapahan-kevitra mampidi-doza ny hoe manaiky an’i Jesosy Kristy ho Mpamonjy. Nefa tsy mitsambiki-mikimpy anaty hantsana velively izany. Voaaro tantera isika, satria raisin’Ilay Andriamanitra velona, Andriamanitra fitiavana, Izay miandry antsika amin’ny sandriny mivelatra malalaka. “Ny hoe finoana dia fiantorahana am-pifaliana eo amin’ilay hatsaram-po tsy hita maso, izay an’Andriamanitra” (Martin Lotera).

Ireo porofon’ny fitiavan’Andriamanitra dia omeny ho ao anatin’ny fon’izay mitoky aminy, sy amin’ny alalan’ny Teniny, izay “velona sy mahery…, maranitra” (Hebreo 4:12).