Alarobia 22 Janoary 2020

Mifohaza tsara, ary aza manota ; fa ny sasany tsy manana ny fahalalana an’Andriamanitra ; ny hampahamenatra anareo no ilazako izany. 1 Korintiana 15:34

 

Ahirato ny masonareo, ry tanora, fa fitahina ianareo ! (2)

Hoy ny olona aminareo : “Ekeo amin’izao maha izy azy izao ny tenanareo, miainà araka izay fantatrareo fa mety ; samy manana ny fombany sy ny kolontsainy ny tsirairay !”

Hoy ny Baiboly : “Anaro izay tsy mitoetra tsara…” (1 Tesaloniana 5:14). “Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra ? Aza mety hofitahina ianareo : fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin’olona sy ny sodomita sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra. Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa ianareo, efa nohamasinina ianareo, efa nohamarinina ianareo, tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompo sy tamin’ny Fanahin’Andriamanitsika” (1 Korintiana 6:9-11).

Hoy ny olona taminareo : “Miraisa tsara ianareo rehetra, satria mitovy avokoa ny fivavahana rehetra !”

Hoy ny Baiboly : “Izaho no Jehovah Andriamanitrao… Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany” (Eksodosy 20:2, 3). “Tsy mpiombon-dray va isika rehetra ? Tsy Andriamanitra iray ihany va no nahary antsika ?” (Malakia 2:10).

Hoy Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra : “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako” (Jaona 14:6).

Hoy ny olona taminareo : “Zanak’Andriamanitra avokoa ny olona rehetra, satria velona ao anatin’ny olona tsirairay Andriamanitra !”

Hoy ny Baiboly : “Izay rehetra nandray Azy (Jesosy, Ilay fahazavana) dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany” (Jaona 1:12). Jesosy Kristy dia “tonga loharanon’ny famonjena mandrakizay, ho an’izay rehetra manaraka Azy” (Hebreo 5:9).

(amin’ny heriny ny tohiny)