Talata 21 Janoary 2020
Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao. Salamo 119:105
Izao no mampionona ahy amin’ny fahoriako : ny teninao no mamelona ahy. Salamo 119:50
Nandritra ny fandinihana Baiboly niaraka tamina tanora kristiana maromaro, dia napetrako teo ambony latabatra ny famantaranandroko. Nefa rehefa nody aho ny hariva, tsy nisy famantaranandro intsony ! Koa vao nanomboka ny dinika aho, ny ampitso, dia nanontany raha nisy nahita izy io. Tsy nisy namaly, fanginana tanteraka… Nalaiko avy ao anaty kitapoko ny Baiboliko… ka indro hitako ny famantaranandroko, teo anelanelana takila roa. “Azafady, fa hay tsy lavitra ilay izy.” Nahazo aina ny rehetra, ary niteny tamiko ny tovovavy iray, avy teny am-pipetrahany, somary namazivazy sady nitsiky fatratra : “Ny Baiboly foana aloha no tokony hosokafana e !”
Mety hahasoa antsika ny mieritreritra izany vazivazy izany. Ny fampianaran’ny Baiboly ve no mamaritra ny fiainantsika andavanandro ? Ary mihoatra lavitra noho izany aza, raha misy zava-manahirana mitranga, mba izay nampianariny momba izany ve no tonga voalohany ao an-tsaintsika ? Ary rehefa mitebiteby isika, rehefa misalasala, rehefa tsy hitantsika intsony izay hatao, mba manokatra ny Baibolintsika ve aloha isika ?
“Fanilon’ny tongotro ... ny teninao”, hoy ny mpanoratra ny Salamo 119. Ary any amin’ny andininy hafa dia hoy izy hoe : “Ny teninao no mamelona ahy”. Tsy fehezan-dalàna mandidy hitondra tena tsara tsy akory ny Baiboly, na boky “majika”, fa boky manoro lalana hihaonana amin’Andriamanitra na hihazonana ny fifandraisana aminy. Tena mila an’Andriamanitra mandrakariva ny mpino ! Amin’ny alalan’ny Teniny Izy no mihaona sy miteny amiko, amin’ny alalan’ny Fanahiny, Izay miasa ato anatiko. Ka na Izy mahatonga saina ahy hoe mahafaly Azy ny fomba fiainako, ary mampahery ahy amin’izany ; na Izy mitarika ahy hahita ny zavatra tokony hafoiko na tokony hokatsahiko.