Alatsinainy 20 Janoary 2020
(Hoy Jesosy :) Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be. Izaho no Mpiandry Tsara. Jaona 10:10, 11
Apetraho aminy ny fanahianareo rehetra ; fa Izy no miahy anareo. 1 Petera 5:7
Hitan’ity mpiambina fonja fa nivoha avokoa ny varavarana rehetra tao an-tranomaizina. Namoy fo izy ka saika hamono tena, kanjo nahare ny iray tamin’ireo gadra, dia ny apostoly Paoly, niantso tamin’ny feo mahery hoe : “Aza mamono tena, fa ato ihany izahay rehetra”. Dia nanontany ilay lehilahy hoe : “Tompoko, inona no mety hataoko, mba hovonjena aho ?” (Asan’ny Apostoly 16:28, 30). Tsy misy antony intsony tokony hampamoy fo azy, hoe mpiambina tratra nanao fahadisoana ; fa hitany kosa ny tenany hoe mpanota eo anatrehan’Andriamanitra. Dia io napetrany io ilay fanontaniana ! Fohy sy tsotra ny valiny, ary teo no ho eo ihany, hoe : “Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao” (Asan’ny Apostoly 16:31). Teo andaniny ilay filana fototra te ho velona, ary tetsy ankilany ilay fitaomana tsotra hino fa Andriamanitra te hanome ny fiainana mandrakizay. Ny tohin’ny tantara dia mampiseho ny fomba namalian’ilay mpiambina fonja izany tolotra izany sy niovany fo. Nanomboka teo dia niova ny fiainany.
Firifiry moa, mandraka ankehitriny, ny olona “tapi-dalan-kaleha” ka alaim-panahy hamono tena ! Asehon’ny antontanisa fa ny famonoan-tena dia anisan’ny antony lehibe mahafaty ny tanora any Frantsa. Amin’Andriamanitra anefa, dia tsy misy toejavatra mampamoy fo ; omeny vahaolana ny olona rehetra, mba hanao fiaingana vaovao indray sy hanana fiainan-tsambatra miaraka aminy. Izany vahaolana izany dia ny finoana an’i Jesosy Zanany, Izay nanolotra ny ainy mba hahazoantsika ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra sy ny fiainana mandrakizay, fiainana “be dia be”. Tsy mampanantena fiainana tsy misy adin-tsaina, na fitsapana, na ranomaso tsy akory Andriamanitra, nefa kosa manome toky fa ho eo anilantsika mandrakariva. Taominy isika hametraka aminy izay rehetra manavesatra antsika. Afaka mamela Azy hitondra antsika isika, ary afaka migoka ny fitiavany tsy mety lefy.