Alahady 19 Janoary 2020
Nivavaka sy nihira fiderana an’Andriamanitra Paoly sy Silasy ; ary nihaino azy ny mpifatotra. Asan’ny Apostoly 16:25
Mifalia mandrakariva amin’ny Tompo. Filipiana 4:4
“Mifalia mandrakariva amin’ny Tompo !” Torohevitra toa tsy dia mitombina loatra izany… Tsy tokony hesorina ve ny teny hoe “mandrakariva” ? Misy, eo amin’ny fiainan’ny kristiana, fotoana maha ara-dalàna sy maha tonga ho azy ny fifaliana. Nefa izy koa dia mandalo aretina, fijaliana, fisaonana, fanenjehana, ary fahasahiranana isan-karazany. Toa tsy hain’olombelona ny mifaly ao anaty toejavatra toy izany.
Mampieritreritra anefa, fa io teny io dia nosoratan’olona nenjehina, nigadra tany Roma, nosamborina noho ny asa nataony ho an’ny Tompo, ary tafasaraka tamin’ny kristiana namany. Ny mpino tany Filipy, izay nandefasana io hafatra io, dia nahatsiaro fa tamin’ny namangy voalohany ny tanànan’izy ireo ny apostoly Paoly sy Silasy, dia nogadraina sy nampijaliana ary noratraina, nefa mbola nihira fiderana an’Andriamanitra ihany (Asan’ny Apostoly 16:25). Mampiseho tsara izany fa ny tena fifaliana kristiana dia tsy miankina amin’ny toejava-mitranga eo amin’ny fiainana, fa amin’ny fifandraisana akaiky amin’ny Tompo.
Miovaova ny trangan-javatra eo amin’ny fiainantsika, ary indraindray manamaloka ny fifaliantsika etỳ an-tany ; fa Izy Tompo kosa, tsy mba miova. Raha ao aminy ny loharanon’ny fifaliantsika, dia mahatohitra ny orambaratra faran’izay mahery. Maritiora firifiry moa no efa nampiseho izany, hatramin’ny niandohan’ny fivavahana kristiana ! Ny Tompon’izy ireo dia nitaona azy ireo hijery Azy, “Izay naharitra ny hazofijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa mipetraka eo amin’ny ankavanan’ny sezafiandrianan’Andriamanitra” (Hebreo 12:2).
Ny fifalian’ny kristiana dia tsy mba ankosotra na marefo, fa lalina, mampitony, tsy mba mety simba.