Asabotsy 18 Janoary 2020
Tsy efa nofidin’Andriamanitra va ny malahelo amin’izao fiainana izao ho mpanankarena amin’ny finoana sy ho mpandova ny fanjakana nolazainy homena izay tia Azy ? Jakoba 2:5
Nanomana fanasana lehibe ity lehilahy iray, ary nanasa olona marobe. Tamin’ny andro voatendry anefa, dia tsy nisy tonga izy ireo, fa samy nanao fialan-tsiny tsy mitombina. Koa nirahiny ny mpanompony haka ny mahantra eran’ny tanàna, mbamin’ny mpangataka sy ny jamba. Izany fanoharana izany no nentin’i Jesosy nanambara ny fanasana ny olona tsirairay mba hiditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra, indray andro any.
Fa iza moa ireo olona nasaina tamin’ny fotoana farany ireo ? Tsy iza fa ireo izay nampijalian’ny fiainana, ireo naratra mafy ara-batana na ao am-po, ireo nahatsiaro matetika ho vahiny eo anivon’ny hafa. Angamba izy ireo sokajiana ho olona fanao ankilabao, olona rendriky ny fiainana.
Isika ve mba mahatsapa fa tsy tsara kokoa noho izy ireo ? Nefa Andriamanitra mikarakara ireo olona tsy dia tiantsika horaisina loatra ireo. Manavakavaka kokoa noho Izy ve isika, izay tena sambatra satria mahafantatra Azy ? “Ny lalana fohy indrindra mankany amin’izay mijaly dia mandalo eo amin’i Kristy”, hoy ny olona iray. Rehefa manaraka ny ohatra nomen’i Jesosy isika, no afaka manolo-tanana an’ireo izay tsy manana na inona na inona, afaka mampiseho amin’izy ireo fa Andriamanitra no fierena azo ialofana, raha mahatsiaro tena ho voailika.
Mampieritreritra antsika ny apostoly Paoly, hoe : “Fa fantatrareo ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika, fa na dia nanankarena aza Izy, dia tonga malahelo noho ny aminareo, mba hampanankarena anareo ny alahelony” (2 Korintiana 8:9). Tsy mba te hanahaka Azy bebe kokoa ve isika ?