Zoma 17 Janoary 2020

(Hoy Jesosy :) Dinihinareo ny Soratra Masina, ... ireny no manambara Ahy. Jaona 5:39

 

Mikatsaka ny fahamarinana (2)

“Voatery niaiky aho fa tsy misy fahadisoana mihitsy ao anaty Baiboly. Ny hany safidy mitombina dia ny mitoky amin’ny fahefany. Takatro fa Jesosy no Mpahary izao tontolo rehetra izao, ary Izy no nanefa ny saran’ireo faniratsirana rehetra nataoko tamin’Andriamanitra. Tsapako koa fa hanana ny fiainana mandrakizay aho raha mandray ny famelan-keloka atolony sy manome Azy ny toerana mendrika Azy, eo amin’ny fiainako. Kanefa natahotra aho ny hatao tsinontsinona sy hoesoina noho ny fanoloran-tenako, rehefa hampahafantatra izany amin’ireo namako, sy ireo mpampianatra ahy, ary ny fianakaviako. Noho izany dia nisalasala aho, nandritra ny volana maro. Nahatsapa fihetsehampo hafahafa —toa fisafotofotoana— aho. Fantatro ny tokony hataoko, saingy nanakana ahy tsy hanao izany ny hamboko.

Indray hariva dia nivavaka aho, nangataka an’Andriamanitra mba hanaisotra io fanoherana ao anatiko io, sy hanova ahy ho kristiana. Nivavaka araka izany aho nandritra ny ora maro, kanefa toa tsy nisy valiny. Nony farany dia tonga saina aho fa tsy manery an’iza na iza Jesosy Kristy, na dia angatahina hanao izany aza. Izaho no tokony hanetry tena sy handray Azy ho ato anatiko. Dia izany no nataoko, tamin’ny 1 ora maraina. Nekeko Jesosy Kristy ho Tompoko sy Mpamonjiko.

Niala tsikelikely ny fatahorako fanarabiana, ary nanomboka nizara tamin’ireo mpianatra sy mpampianatra tany am-pianarako ny zavatra hitako momba ny fahamarinana ara-panahy aho…

Faly aho ankehitriny, afaka milaza fa mitombo hatrany, isantaona, ny fifaliako ao amin’i Jesosy sy ny firesahako momba Azy amin’ny olona, hatramin’ny nanekeko Azy ho Tompoko sy Mpamonjiko.

Hug Ross