Alakamisy 16 Janoary 2020
Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao. Salamo 119:160
Faly aho noho ny teninao tahaka ny mahazo babo be. Salamo 119:162
“Tany Canada aho no nihalehibe, tao amina fianakaviana nisy fifankatiavana, kanefa tsy mpino. Liana mafy tamin’ny siansa aho, ka raha vao valo taona monja dia nanapa-kevitra hiasa ao amin’ny sehatry ny haikintana (astronomia). Tatỳ aoriana, ny fianarana nataoko dia nandresy lahatra ahy fa nisy fiandohana izao tontolo rehetra izao, ka noho izany, nisy antony naha ary azy. Saingy noheveriko ho antony lavitra sady mangina izy io.
Lasa saina aho momba ny maha zava-dehibe ny fivavahana, teo amin’ny tantaran’ny mponina teto amin’izao tontolo izao, ka nanapa-kevitra handinika ireo boky nosoratan’ny filôzôfa eoropeana tamin’ny taonjaton’ny Fahazavana, izay nametra-panontaniana momba ny mampitombina na tsia izay rehetra mety ho karazam-pivavahana. Laha-kevitra misafotofoto, fialana feno olikolika, ary fifanoherana no hitako tao anatin’izany. Koa nitodika namaky ny bokin’ireo mpanorina ny fivavahana tsirairay aho… nihevitra fa raha olombelona no nanoratra izany, dia tsy maintsy hahitana taratra fahadisoan-kevitr’olombelona ny fampianarany. Fa raha Andriamanitra kosa no nanoratra izany, dia tsy hisy fahadisoana ny zavatra ambarany ary hirindra tsara, toy ny zava-misy eo amin’ny voary. Koa nampiasaiko ireo tranga ara-tantara sy ara-tsiansa mba hanamarinako izay ambaran’ny boky “masina” tsirairay. Rehefa namaky nandritra ny ora maromaro aho, dia nahita miharihary hatrany zavatra iray na maromaro mifanohitra amin’ny zava-nisy ara-tantara na ara-tsiansa. Izany, amiko, dia tsy mifanaraka amin’ny toetran’Ilay Mpahary asehon’ny lalànan’ny voary. Ka dia nolaviko tsirairay ireo boky ireo, mandra-pahitako ny Baiboly.
Tsy mba toy ireo boky masina hafa izy, fa tsotra, mivantana ary mazava tsara. Nandritra ny herintaona sy tapany aho dia nanokana adiny iray isanandro mba hikarohana tsy fahamarinana ara-tsiansa na ara-tantara ao amin’ny Baiboly. Voatery niaiky aho fa tsy misy fahadisoana mihitsy ao anatiny.”
(hitohy)