Zoma 24 Janoary 2020
Fa Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin’ny fahatezerana, fa mba hahazo famonjena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika. 1 Tesaloniana 5:9
Ary tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana. Hebreo 9:27
Mizara roa ny tenako, ny iray dia ilay hita maso : ny vatana ; ny faharoa dia ilay tsy hita maso : ny fanahy, izay monina vonjy maika ao anatin’ny vatana. Ny vatako dia natao ho lasa vovoka : ny Baiboly no milaza izany amiko, ary porofon’izany ny fasana sy ny toeram-pandevenana tsy hita isa, manerana izao tontolo izao. Satria aho mpanota, toy ny olona rehetra, nanomboka tamin’i Adama, dia tsy maintsy hiverina ho vovoka ny vatako, izay avy amin’ny vovoka ; nambaran’Andriamanitra izany (Genesisy 3:19). Rehefa maty aho, ny fanahiko dia handao ny fonony mety maty ka hiverina any amin’Andriamanitra, Izay nanome izany (Mpitoriteny 12:7). Ao amin’ny Baiboly, ny fo dia manambara ny toetra anaty (saina sy fanahy), ary ny olona ivelany kosa dia milaza ny vatana. Tsy mifanohitra ilay olona anaty sy ny vatana, fa mifamaly asa mandrakariva. Ao anatin’ny foko no miforona ireo eritreritra, safidy, fanapahan-kevitra…
Raha nino aho, dia monina ato amiko ny Fanahy Masina, monina ato anatiko. Ao ihany koa, amin’ny alalan’ny fikarakaran’Andriamanitra ahy lalandava, no ahatsapako ny fitiavany. Rehefa maty ny olona iray, dia alevina any am-pasana ny vatany. “Fa avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana ny feony (ny feon’ny Zanak’olona) ; dia hivoaka izy” (Jaona 5:28, 29). Izay nino ny Tompo Jesosy dia hivoaka ho amin’ny fitsanganana ho velona, ho feno voninahitra sy hitovy amin’i Kristy, Izay ho avy haka ireo olona navotany mba hiaraka aminy mandrakizay (1 Tesaloniana 4:16, 17). Izay tsy nino kosa dia hitsangana ihany koa, saingy hotsarain’Ilay Andriamanitra masina (Apokalypsy 20:11-13). Ny mpino dia tsy mba hotsaraina, satria Kristy efa notsaraina nisolo toerana azy (Jaona 5:24).