Alahady 12 Janoary 2020

Ary nony tokony ho tamin’ny ora fahasivy, dia niantso tamin’ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe : ... Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Ianao ? Matio 27:46

 

Ny fandaozana teo Kalvary

Hazofijaliana telo no natsangana tao Golgota, tany ivelan’ny mandan’i Jerosalema. Lehilahy telo nampijaliana no niala aina teo.Tampoka teo dia haizina nampahatahotra, izay nanaitra satria tamin’ny mitataovovonana be izao, no nandrakotra ny tany. Haizim-pito no nanafina io sehon-javatra io, nandritra ny adiny telo. Teo amin’ny hazofijaliana Jesosy no nivesatra ny fahotantsika, ka mba hanonerany azy ireo, dia nizaka ny famaizan’Ilay Andriamanitra masina. Tamin’ny farany dia nanakoako tao anaty haizina ny hiaka mafy hoe : “Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Ianao ?” Ilay Zanaka malalan’Andriamanitra, Izay “ravoravo isanandro isanandro ... teo anatrehany” (Ohabolana 8:30), no nanonona izany teny izany ! Nanirery Izy teo amin’ny hazofijaliana, nafoin’Ilay Andriamaniny, kanefa dia mbola niantsoantso hoe : “Andriamanitro ô, Andriamanitro ô !”, antso avo lenta indrindra, nanoloana anton-javatra tsy takatry ny saina.

Nandritra ny fiainany tetỳ an-tany Jesosy dia niresaka mandrakariva tamin’Andriamanitra, nantsoiny hoe : “Ray”. Ora vitsivitsy talohan’izao, dia mbola niteny Izy tao Getsemane hoe : “Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity…” (Matio 26:39). Ary teo amin’ny hazofijaliana koa Izy dia mbola nivavaka hoe : “Ray ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony”. Fa tamin’ny fotoana nandaozana Azy kosa Izy dia niteny hoe : “Andriamanitro ô”…

Fa nahoana moa ? Nanomboka tamin’ny tsy nankatoavan’i Adama dia mbola tsy nahitana vahaolana ny momba ny tsara sy ny ratsy. Fa teo Kalvary kosa dia nozakain’ny Zanak’Andriamanitra ny famaizan’Andriamanitra sahaza ny fahotantsika. Tsy nahafafa, na dia fahotana iray monja aza, ireo fijaliana niaretan’i Jesosy avy tamin’ny olona, nandritra ny fiainany. Nefa Izy ihany koa, Ilay lehilahy naman’i Jehovah (Zakaria 13:7), no tsy maintsy nasian’Andriamanitra tamin’ny sabatry ny fitsarany, nandritra ireo ora telo maizin-kitroka.

Ny havesatr’izany fijaliana izany no fatran’ny fahasoavan’Andriamanitra amiko mpanota. Lafo indrindra ny nefain’ny Mpamonjiko, nandritra ireo ora nandaozana Azy ireo !