Asabotsy 11 Janoary 2020

Moa fantatrao va izay vakìnao ?... Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra ahy ? Asan’ny Apostoly 8:31

(Hoy Jesosy :) Ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana. Jaona 6:63

 

Fa inona no dikan’izany ?

Misy hevitra sasantsasany tsy mahazatra loatra ny mpamaky. Indreto àry misy fanazavana vitsivitsy :

— Ny fahotana dia ny fanaovana zava-dratsy eo imason’Andriamanitra, Ilay Mpahary. Ny hoe manota dia ny mitondra ny fiainany araka izay itiavany azy, ka tsy miraharaha an’Andriamanitra.

— Ny faharesen-dahatra fa mpanota : iainantsika izany rehefa manome tsiny antsika ny fieritreretantsika ary mampiseho amintsika fa meloka eo anatrehan’Andriamanitra isika. Matetika dia rehefa mamaky Baiboly isika no tonga amin’izany faharesen-dahatra izany.

— Ny fibebahana : izany dia ny fiovan’ny ao anatintsika, ny nenina tamin’ny tsy nankatoavana an’Andriamanitra, rehefa mahatsapa isika fa mendrika ny fanamelohany, ka maniry hanova fiainana.

— Ny fieken-keloka : miaiky ny fahadisoantsika amin’Andriamanitra isika, ary miaiky fa tsy nankatò ny sitrapon’Andriamanitra.

— Ny finoana : izany dia fatokiana an’i Jesosy Kristy, Ilay Mpamonjy nomen’Andriamanitra, Izay maty nisolo toerana antsika mba hizaka ny fanamelohana ; ary ny fitsanganany tamin’ny maty dia manaporofo fa feno ny fepetra takian'ny fahamarinan’Andriamanitra.

— Ny fiovam-po : izany dia fiovan-dalana tanteraka. Manome lamosina ny fiainana tsy nisy an’Andriamanitra, mba hiaina fiainana miaraka aminy manomboka eo, ary hihaino sy hankatò Azy.

— Ny famelan-keloka dia ny asam-pahasoavana amafan’Andriamanitra ny ratsy vitantsika, na dia mety mbola hitoetra ihany aza ny vokatra sasantsasany tamin’izay nataontsika.

— Ny fahateraham-baovao : amin’ny alalany no andraisan’izay mino aina vaovao avy amin’Andriamanitra ; manjary zanak’Andriamanitra izy. Ary ny Fanahy Masina nomena azy no hery sy tanjak’izany aina vaovao izany.