Zoma 10 Janoary 2020
Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy... ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo. Hebreo 4:12
“Tsy ilaina arovana ny liona, fa mahay miaro tena irery !” hoy ny mpitoriteny iray. Tsy hita isa ireo fanoherana ny Baiboly ; nezahina hofoanana izy, kanefa tsy nahomby izany.
Maro, ankehitriny, ireo mandà izay lazainy momba azy, dia ny maha Tenin’Andriamanitra azy. Nefa ny Baiboly dia manana fahefana ampy, hiarovany samirery ny tenany. Tsy ilaina ny miezaka hiaro azy amina hevitra alahatr’olombelona. Iza no hieritreritra hanazava ny masoandro amin’ny hazavan’ny labozia ?
Manontany tena ianao, hoe tena Tenin’Andriamanitra tokoa ve ny Baiboly ? Manaova fitsapana tsotra : vakio izy.
Ny Baiboly dia tsy hay oharina amina boky hafa. Manana hery handresen-dahatra izy, ao anatiny. Miteny amin’ny fieritreretana sy ny fon’ny mpamaky izy, ary miresaka aminy manokana. Tena “velona sy mahery” tokoa izy, ka miditra sy miasa hatrany anaty lalina indrindra any. Izy dia “mampahendry … ho amin’ny famonjena amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy Jesosy. Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra…” (2 Timoty 3:15, 16). Avelao izy hiasa ao anatintsika, noho ny fahefan’Andriamanitra ao aminy.
Tsy isika rahateo koa tsy akory no mitsara ny Baiboly, fa izy no mitsara antsika ! Maro ny olona nanandrana hanaporofo fa diso ny Baiboly, kanjo rakotra henatra sy voatery niaiky fa izy ireo no diso.
Ny Baiboly dia mampita hafatra mitaona ny olona hibebaka, hafatra mitory famonjena, famelan-keloka, ary fiadanana. Ary ny valiny andrasany amintsika dia ny finoana (Hebreo 4:2).