Alatsinainy 13 Janoary 2020
Sasao aho, dia ho fotsy mangatsakatsaka. Salamo 51:7
Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy (Andriamanitra) ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra. 1 Jaona 1:9
Tohina aho mahatsiaro ireo andro ririnina fony izaho mbola kely, mahatsiaro ireo lalao fanaonay tao anaty ranomandry. Fahafinaretana tsy nanam-paharoa izany… kanefa ora vitsivitsy monja dia miova loko ilay ranomandry fotsy mangatsakatsaka, tonga maloto. Hafaliana erỳ ny ampitso maraina, rehefa mahita ranomandry vaovao indray, tsara tarehy ! Rakotra avokoa ny sary vongana natao omaly tamin’ny ranomandry. Tena fahafinaterana vaovao indray no hita.
Sary mahafinaritra maneho ny famelan-keloka izany ! Ny fontsika dia mety ho voaloto-na fahadisoana, kanefa raha miaiky ireo fahadisoana ireo isika, dia “manarona” azy ireo Jesosy. Tamin’ny asa nataony teo amin’ny hazofijaliana dia efa noheverina avokoa ireo fahotantsika rehetra, efa nentin’i Jesosy Kristy tao amin’ny tenany avokoa ireo. Raha miaiky ireo amin’Andriamanitra isika, dia mamela ny helotsika Izy, toy ny ataon’ny ray amin’ny zanany, satria efa nanadio antsika ny asa nataon’i Kristy, toy ny ranomandry mandrakotra ny tontolo rehetra.
Na dia manana antoka aza isika fa namela ny helotsika Andriamanitra, dia mety ho sarotra amintsika ihany, indraindray, ny hanaiky ny halavorarin’ny asa nataon’i Kristy sy ny famelan-keloka feno atolotr’Andriamanitra, indrindra moa isika raha nahavita fahotana heverintsika ho tena lehibe. Ny apostoly Jaona anefa dia manambara mazava hoe : “Ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra” (1 Jaona 1:7). Tsy misy “lisitra mainty” mirakitra fahotana sasantsasany hoe tsy ho tian’Andriamanitra havela, tsy akory, na ho haintsika avotana amin’ny herintsika manokana ! Ary koa, tsy hoe tokony hahatsapa ho voavela heloka isika, fa tokony hino ny fampanantenan’Andriamanitra.
Ny devoly no mitady mandrakariva ny hanameloka antsika, sy hamatotra antsika amin’ny fahotantsika ! Fa Andriamanitra kosa dia mamela ireo fadisoantsika, manafaka antsika amin’ireo, ary tsy hotsarovany intsony ireo, mandrakizay (Hebreo 10:17) !