Ary tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha...” (Hebreo 9:27)

 

Tsy misy mandà io fahamarinana lazain’ny Baiboly io. Isaky ny tanàna, dia misy foana ny fasana mampahatsiahy ity anjaran-dRaolombelona ity: maty indray mandeha. Fotoana fohy ihany matetika dia mifankahita indray amin’ireo olona, izay efa nifanena tamintsika, eo amin’io toerana manjombona io isika: mety ho fanehoana fiaraha-miory, na fahalalam-pomba, na koa isika mihitsy no manam-pahoriana, no mahatonga antsika ho eo. Rehefa misaraka eo anefa isika, dia tsy misy sahy manontany hoe: Ary amin’ny manaraka, iza indray? Satria tsy azo ihodivirana fa tsy maintsy ho avy ny anjarantsika.

 

Ny fiainan’olombelona dia toy ny fanisàna mianòtra. Vao teraka izy dia efa mizotra ho amin’ny fahanterana sy ny fahafatesana. Nefa misy zavatra roa loha lehibe tsy fantany: aiza no halehany, ary aiza ho aiza no misy azy izao.

 

Tsy fantatra ny toeran-kaleha

 

Tsy fantatra? Tena matoky izany ve isika? Sa kosa aleontsika tsy mametra-panontaniana momba izany? Ekeo fa tena fandosirana andraikitra izany. Voalohany indrindra aloha, tsy lojika izany. Tsy misy amintsika handeha fiaran-dàlamby nefa tsy mahalala izay hitondrany antsika. Manaraka izany, mampiseho hakanosana izany! Aleo tsy eritreretina!

 

Rariny koa anefa raha matahotra isika. Ilay andinin-tSoratra Masina notononintsika terỳ aloha dia mitohy toy izao: “ho faty ... ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana”. Inona no zavatra hitranga aorian’ny fahafatesana? Io no fanontaniana lehibe indrindra. Ny hany valintenin’ny Baiboly dia io voambolana masiaka io, nefa tsy azontsika ialàna: ny FITSARANA. Tsia, tsy tapitra daholo tsy akory ny zavatra rehetra rehefa tafasitrika any anaty tany ny nofontsika. Raha miverina amin’ny tany ny nofontsika izay vovoka ihany, “ny fanahy kosa hiverina amin’Andriamanitra, Izay nanome azy” (Mpitoriteny 12:7). Any amin’Andriamanitra, mba handre ny fitsaràny azy ka handray ny tambin’izay natao.

 

Ny fiainantsika amin’izao fotoana izao dia fotoana fohy ihany mialoha làlana ny fiainana mandrakizay ho an’ny fanahintsika. Misy fiantraikany be tokoa anefa, satria. fizahan-toetra: inona no nampiasantsika ny fahafahantsika, ny fotoanantsika, ny fahasalamantsika, ny fanomezam-pahasoavana teo amintsika?...Ary indrindra indrindra, inona no toerana nomentsika an’i Jesoa Kristy teo amin’ny fiainantsika? Noraisintsika ho Mpamonjy antsika ve Izy aloha, ary manaraka izany, ho Tompontsika?

 

Aiza ho aiza isika ankehitriny?

 

Ireo andro, ireo segondra mandalo, ary miha-kely isa mandra-pahatongany tampoka any amin’ny aotra, firy sisa no hianantsika?

 

Tsy fantatsika izany, hoy ny sasany, ary izay indrindra no isan’ny antony lehibe mampahatahotra amin’ny fahafatesana: afaka manafoana tampoka izay zavatra rehetra efa nalamina izy, ary hanapaka ny fifandraisana amin’ny olona tena tiantsika.

 

Tsy fantatsika izany, ekena, hoy indray ny famalin’ny sasany; nefa soa ihany. Inona moa no tokony hanimbàna ity andro mielina ity, ireo fotoana kely voaisa, amin’ny fieritreretana hoe tsy ho ela dia mety ho tapitra ireo?

 

Tsy fantatsika izany, marina izany. Nefa izay indrindra no tokony hanosika antsika hanomana dieny izao io zavatra manetriketrika io, dia ny  fanatrehantsika tava an’Ilay Mpitsara tsy maintsy hanaovantsika tatitra. Izy tenany mihitsy no manasa antsika hanao izany: “Miomàna hihaona amin’Andriamanitrao, ry...(eto isika dia afaka mametraka ny anarantsika tsirairay avy” (Amosa 4:12). Amin’ny fomba ahoana? Mialoha làlana ilay fitsarana, izany hoe miaiky an-kalalahana amin’Andriamanitra ny maha-mpanota antsika ary manaiky ny famelan-keloka atolony, dia ilay famonjena maimaimpoana nomena antsika noho ny asan’i Jesoa Kristy.

 

Fahamarinana azo antoka

 

Mitovy amin’ny olon-kafa ihany ny mpino, tsy mahafantatra izay fotoana hahataperan’ny fiainany an-tany. Ny tsy mampitovy azy aminy kosa anefa, dia ny momba ny any an-koatra: manana fahamarinan-dehibe azony antoka izy, notsoahiny avy amin’ny Tenin’ny Andriamaniny. Ny voalohany amin’ireny dia ity: RESY NY FAHAFATESANA; “Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao?” (1 Korintiana 15:55-56).

Tsy manana ahiahy izy raha mieritreritra ny hahafatesany; vonona izy. Ny fitsaràna sy ny fanamelohana niandry azy tany an-koatra dia efa nentin’Olon-kafa, dia “Kristy Jesoa, Mpamonjy antsika, Izay nahafoana ny herin’ny fahafatesana” (2 Timoty 1:10).

“Ary amin’izany, dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesoa” (Romana 8:1).

 

Ny ota, dia ilay fanindronana nampiasain’ny fahafatesana ho fiadiana toy ny tsindrona biby mahafaty, dia efa nesorina taminy teo amin’ny hazofijalian’i Jesoa. Noho izany, dia tsy mampitahotra ny kristiana intsony ny fahafatesana; tsy fiafaràna mandoza intsony, fa làlana hahazoana hoavy mampitolagaga; tsy fahaverezan’izay zavatra rehetra tiana, fa fanatrehan’Ilay tiany indrindra. Izy no varavarana dinganiny handehanany any an-danitra: alohan’izany, ny havizanana, ny olana isan-karazany, ny fijaliana; aoriany, ny fitsaharana, ny fiadanana, ny fahasambarana tsy misy aloka sy tsy manam-pahataperana.

 

Tsy tianao ve ny hamaha dieny izao io olana goavana sy mavesa-danja io momba ny hoavinao mandrakizay, amin’ny fanekena tsotra izao ilay famonjena atolotr’i Jesoa anao, izay efa voaloany tanteraka ny sandany?