Efa tonga indray mandeha tetỳ an-tany naka endrik’olombelona, i Jesoa Kristy Tompontsika, Ilay Zanak’Andriamanitra. Nonina teto amin’izao tontolo izao Izy ; niaritra ny mafy Izy ary maty mba ho famonjena ireo rehetra mino Azy. Ny fitsanganany tamin’ny maty, narahin’ny fiakarany ho any an-danitra sy ny fipetrahany eo an-tànan-kavanan’ny Ray ankehitriny, no nanamarika ny fiantombohan’ny vaninandron’ny fahasoavana. Efa naharitra 2000 taona eo ho eo izao no niainantsika izany fahasoavana izany. Nandritra izany vanim-potoana izany no nanorenan’ny Fanahy Masina ny Fiangonan’ny Tompo, izay ivondronan’ny kristiana rehetra, ireo tena mpino marina tokoa, nateraka indray, niova fo ho mpanara-dia an’i Jesoa Kristy Tompo. Efa an-dalam-piafaràna anefa izao vanim-potoan’ny fahasoavana izao. Ho tampoka dia tampoka sy hahatalanjona ny hitrangan’izany.

 

 

Ny fiverenan’i Jesoa Kristy

 

Manambara ny amin’io fiverenan’i Jesoa Kristy io ny Baiboly. I Jesoa Izy tenany mihitsy koa no efa nampanantena ny mpianany hoe : “Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa” (Jaona 14:3).

Tsara ny mahalala hoe ahoana re no ho fizotran’izany zavatra izany, rahoviana izany no hitranga, iza no ho voakasik’izany, ary inona no tsy maintsy ho fiantraikany eo amin’ny fiainan’ny tsirairay avy, amin’izao fotoana izao?

 

 

Amin’ny fomba ahoana ?

 

Efa voarakitra ao amin’ny Baiboly ny amin’ity sehon-javatra hampitolagaga, izay hitranga amin’ny fotoana tsy ampoizina ity :

Fa ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin’ny fiantsoana sy ny feon’ny arikanjeky ary ny trompetran’Andriamanitra, ka izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana aloha ; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ny rahona hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka : dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika” (1 Tesaloniana 4:16-17)

Ny andinin-tSoratra Masina iray hafa  dia manoritra fa mandritra ny indray mipi-maso monja no hisehoan’izany rehetra izany. Koa dia tsy hanam-potoana hiverenana amin’Andriamanitra ireo izay naniasia (1 Korintiana 15:52).

Mariho koa fa Jesoa mihitsy no ho avy. Fifaliana ho Azy, tsy omeny olon-kafa, ny haka ireo olon-tiany. Tsy fisehoan-javatra no andrasan’izy ireo ; ilay Olona no andrasany, dia ilay tiany na dia mbola tsy hitany maso aza.

 

 

Rahoviana ?

 

Tsy misy daty na fe-potoana voatondro mazava hitrangan’izany zavatra izany. Natao izany mba hamelombelomana ny fitiavan’ny kristiana, mba handrisika azy ireo hiandry ny Tompo mandrakariva. Jesoa rahateo koa dia tsy mitsahatra ny mamerimberina ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy hoe: “Ho avy faingana Aho” (3:11; 22:7, 12, 20).

Roa arivo taona izay no lasa hatramin’ity fampanantenana ity, fa ankehitriny, dia efa maro ireo fambara milaza ny hiverenany tsy ho ela. Misongadina indrindra amin’ireny ny fiovan’ny toetra ara-moraly sy ara-pivavahana eo amin’ny tontolo ambara ho kristiana, araka ny voasoratra ao amin’ny epistily faharoa ho an’i Timoty, toko faha-3: fitiavan-tena, fiavonavonana, fitondrantena tsy mendrika, fananana ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra nefa mandà ny heriny.

 

 

Ho an’iza ?

Mamaly izany fanontaniana izany ireo andinin-tSoratra Masina efa notanisaintsika teo aloha. Samy hisy handray anjara amin’io fiaingana lehibe ho any amin’i Jesoa sy ho amin’ny voninahitra io ny velona sy ireo maty efa natsangana. Ireo rehetra lazaina amin’izany dia samy mpino. Horaisin’ny Tompo Jesoa ho eo anilany avokoa ireo olona rehetra izay Azy satria nino ny fanavotana nataony tamin’ny rany.

Noho izany, dia mety hisy lehilahy sy vehivavy hakarina tsy ombam-bady, na zanaka niova fo fa tsy omban-dray aman-dreny. Hisy amin’ireo olona heverina ho tena mpivavaka no ho tavela etỳ an-tany; ny sasany kosa handeha, dia ireo izay tsy dia re firy nefa nahatoky tamin’ny firaisany tamin’ny Tompony. Tsy ho diso na oviana na oviana amin’ny famantarana ireo tena Azy marina ny Tompo, mahazo matoky izany isika.

Ho hitan’ireo kristiana indray, amin’io fifamotoanana eny amin’ny rahon’ny lanitra io, ireo olo-malalany tafasaraka taminy noho ny fahafatesana. Saingy ny tena hameno ny sainy sy ny fony dia ilay Mpamonjy, Izy Jesoa tenany, ho azony banjinina amin’izay.

Mba ho anisan’izay hakarina hitsena ny Tompo ve ianao? Sa ho anisan’ireo tavela etỳ ambonin’ny tany hiatrika ny fitsarana?

Izany no fanontaniana voalohany indrindra tokony hipetraka amin’ny tsirairay avy. Ny fahafantarana ny efa hiavian’i Jesoa Kristy indray dia tokony hisy koa fiantraikany eo amin’ny fiainana sy fitondrantenan’ireo izay efa mahazo antoka tanteraka fa handeha ho amin’io fihaonana io.

 

 

Ny fiantraikan’izany eo amin’ny fiainan’ny kristiana

 

  • Manasaraka ny kristiana amin’izao tontolo izao ny fiandrasany ny Tompo; io no mahatonga azy ho toy ny vahiny etỳ ambonin’ny tany. Tsy maintsy mivonona mandrakariva ny handeha izy. Tsy maintsy azon’ny Tompony ankasitrahina izay ataony sy izay lazainy, rehefa hiverina Izy: asa natao tamim-pitandremana fatratra, trosa tsy nisy tsy voaloa, fandalàna hatrany ny fihavanana teo anivon’ny mpiara-belona... Tena manamasina ny kristiana mihitsy ity fampanantenana ity: “Ary izay rehetra manana izany fanantenana miorina aminy izany dia manadio ny tenany mba hadio tahaka Azy” (1 Jaona 3:3).

  • Mampionona ny kristiana ny fiandrasany ny Tompo, raha misy nodimandry ireo mpino namany; mampahery azy ao anatin’ny aretina, ny fanenjehana, ary amin’ny fiatrehana ireo fizahàn-toetra samihafa.

  • Ny fiandrasan’ny kristiana ny Tompo dia manetsika azy hampitandrina, dieny mbola tsy tara loatra, ireo izay tsy mahazo antoka ny famonjena.

 

Izany indrindra no tanjon’izao hafatra izao: ny hanambara ny fanantenanay fa hiverina marina tokoa i Jesoa, ary ny hanasa anao hiandry Azy miaraka aminay ka hinoanao Azy ho Mpamonjy maty noho ny fahotanao.