FIHAVANANA AMIN’ANDRIAMANITRA :

HO ANAO VE ?

 

Ny ota : sakana amin’ny fihavanana

 

Ao amintsika dia ao amintsika tokoa ny ota, na dia sarotra amintsika aza ny manaiky izany. Raha vao mieritreritra kely fotsiny ny toerana misy antsika eo anatrehan’Andriamanitra isika, dia tonga manelingelina ny saintsika avy hatrany ny resaka ota, ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy, ny any an-koatra na koa ny mandrakizay. Raha azom-pahoriana na eo ambavahoanan’ny fahafatesana isika, dia mitamberina ao an-tsaintsika ny fisian’ny ota ka mahatonga antsika hila fifandraisana amin’Andriamanitra. Tsy ela akory anefa dia tsapantsika fa tsy mahefa na inona na inona isika: satria maty ara-panahy isika noho ireo fahadisoana sy faniratsirana vitantsika tamin’Andriamanitra. Lalina loatra ny fahoriana ara-tsaina sy ara-panahy manjo antsika, hany ka toa tsy azontsika eritreretina akory izany hifanatri-tava amin’Andriamanitra Masina izany.

 

Tsy mitsahatra miasa mandresy lahatra ny olona ny amin’ny toetra maha-mpanota azy ny Fanahy Masina hatrizay hatrizay. Matetika anefa, avonavona no setriny ka mampangina izany feo izany ny olona satria heveriny fa tsy mila manamarin-tena na amin’iza na amin’iza izy. Tsy tiany ho re akory izany fitiavan’Andriamanitra izany na izay ilàna fanamarinana eo anatrehany.Nefa tian’Andriamanitra ny olona izay noforoniny, ary noporofoiny izany fitiavany izany tamin’ny nanomezany “ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16). Ny Zanak’Andriamanitra dia “natolotra noho ny fahadisoantsika ka natsangana indray ho fanamarinana antsika” (Romana 4:25). Tamin’ny nahafatesan’i Jesoa sy ny nitsanganany tamin’ny maty dia nasehon’Andriamanitra ny haben’ny fitiavany sy ny fitsaràny marina.

 

Ny fomba anomezan’Andriamanitra ny fihavanana

 

Tsy maintsy nahazo fahafaham-po ny fahamarinan’Andriamanitra, koa naka an-tsitrapo ny toeran’ny olo-meloka ny Tompo Jesoa. Nanao sorona ny tenany Izy ary nitondra ny fahotantsika.rehetra : “Ary nataon’i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra” (Isaia 53:6). Voavaha teo imason’Andriamanitra noho izany ny olana momba ny ota, satria tanteraka ny fanonerana, “mba ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an’i Jesoa” (Romana 3:26). Afaka mamela ny olo-meloka izay voakoso-pahotana Andriamanitra ankehitriny, ary manome antsika fahalalahana hiditra ao amin’ny tontolo misy Azy. Ao no ahitantsika ny seza fiandrianan’ny fahasoavana,  izay ahazoantsika maneho ny fangatahantsika rehetra amin’Andriamanitra izay te hitahy antsika.

 

Vita fihavanana amin’Andriamanitra ve ianao ? Tsapanao ve fa mpanota ianao ?

 

Raha eny, miovà tanteraka, ovay ny any anatinao raha ny momba ny ota! Ataovy faingana izany fa aza mangataka andro! Aoka ho fantatrao fa nahatezitra an’Andriamanitra ianao tamin’ny fanotanao taminy: samy hadinina eo anatrehany isika tsirairay avy. Izany indrindra no mahamaika ny tokony hitodihantsika amin’Andriamanitra sy hanetrentsika tena hiaiky ny fahotana sy ny faniratsirana vitantsika.

 

Ahoana no fomba hihavanana amin’Andriamanitra ?

 

Ekeo ny maha-mpanota anao. Raiso amin’ny finoana fa i Jesoa Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra, no hany Mpamonjy, maty sy nitsangana mba ho avotra noho ny fahotanao. Ialao ny làlan-diso sy maizina ka mizora ny làlan’ny fahazavana, dia ny làlan’Andriamanitra ! Tsy ny fombafombam-pivavahana no hahavonjy anao, fa ny fikatsahana fanapahan-kevitra hentitra vokatry ny fo. Ho azonao amin’izany ny famelana ny fahotanao, ary ho afaka amin’ny fanamelohana mandrakizay ianao. Voavela ianao, nateraka indray ianao, ary nambaran’Andriamanitra izay manome anao ny fiainana mandrakizay fa marina ianao.