Ny olombelona: jiolahy ve?

 

Samy mahalala ny Didy Folo daholo ny tsirairay, dia ilay lalàna moraly kanto tokoa, izay nomen’Andriamanitra tao Sinay, 1500 taona teo ho eo talohan’ny nahaterahan’i Jesoa Kristy: “Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany... Manajà ny rainao sy ny reninao...Aza mamono olona... Aza mangalatra... Aza mijanganjanga... Aza mitsiriritra ny vadin’ny namanao...na izay mety ho an’ny namanao akory” (Eksodosy 20:3-17).

 

Mampitolagaga tokoa ny namintinan’i Jesoa Kristy Tompo ireo didy rehetra avy tamin’Andriamanitra ireo, tamin’ny nilazany hoe: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra. Tiava ny namanao tahaka ny tenanao” (Matio 22:37-39).

 

Tsy ho toy izao ity tontolo iainantsika ity raha nankatò izany lalàna izany ny tsirairay ary nanantanteraka izany amin’ny fiainany! Mbola lavitra dia lavitra an’izany anefa isika. Amin’ny ankapobeny, ny zanak’olombelona dia nikaroka mandrakariva ny handositra ny fahefan’Andriamanitra, ka nametraka ny tenany ho toy ny jiolahy.

 

Ny foto-pisainan’ny olombelona

 

Novain’ny olombelona ireo didy folo ireo, ka nasolony azy ny foto-pisainana azo bangoina hoe:

Ataovy izay tsy ahatratrarana anao.

Io fitsipika io (izay manaiky an-kolaka ny fisian’ny lalàna) dia matetika efa mifehy ny fiainan’ny ankizy hatrany am-pianarana. Azo lazaina fa izany no teny filamatry ny mpanao ratsy gaigilahy, nefa koa dia teny filamatry ny “olona tsotra” tsy tambo isaina.

 

Mangalatra, mandainga, mijangajanga, mangalatra amin’ny hetra, manao varotra hosoka, izany rehetra izany dia tsy raisina ho ratsy, raha toa ka tsy misy mahalala, raha tsy lasan’olon-kafa ireo mpanjifa, raha tsy very ny voninahitra, ary raha tsy voakasiky ny fitsarana. Ny zavatra ratsy, dia ny “tratra”. Hany ka eo amin’ny fombafombantsika, eo amin’ny fitantanam-bola, eo amin’ny fifandraisan’ny mpianakavy na any amin’ny toeram-piasana, na aiza na aiza, manomboka any ambany indrindra ka hatrany ambony indrindra eo amin’ny ambaratongam-piaraha-monina, dia io “fitsipika” io no hany lalàna.

 

 

Ny foto-pisainan’Andriamanitra

 

Indrisy anefa ho an’ny olombelona izay mahay manafina tokoa, fa misy fitsipika hafa mamotika izany kajikajy rehetra izany; toy izao no anambaràn’Andriamanitra azy: “Ary aoka ho fantatrareo fa hanody anareo ny fahotanareo” (Nomery 32:23).

 

Ireo olona rehetra ianjadiam-boina noho ny fisotroan-toaka, ny zava-mahadomelina na ny filibana amin’ny firaisana, izay mameno ny toeram-pitsaboana, dia efa nanody azy ny fahotany. Ity lehilahy namono tena nony nivoaka ny trano filokàna, ity iray hafa niditra am-ponja satria tratra teo am-pandrobana, ity vehivavy tratra am-body omby nangalatra teny amin’ny trano fivarotana lehibe, efa nanody azy ny fahotany.

 

Ary raha toa tsy namadika ny mpamono olona na ny mpanao ratsy ny zavatra nitranga, raha tsy hitan’ny mpitandro filaminana mihitsy izy, dia eo ny feon’ny fieritreretany manenjika azy; io feon’ny fieritreretana io, izay indraindray odiana tsy heno rehefa manao ilay fahotana, dia mihiaka hany ka lasa fijalijaliana tsy misy farany ny fiainan’ilay mpanota. Efa nanody azy ny fahotany.

 

Ary raha maty ny feon’ny fieritreretana? Raha tetỳ ambonin’ny tany no tsy nisy nahalala ny olona, na dia ireo akaiky azy indrindra aza, raha nentin’ilay meloka any am-pasana ny tsiambaratelony, dia indro eo anoloan’ny fitsaràn’Andriamanitra fa voasoratra daholo izay rehetra noeritreretiny, nolazainy na nataony. Avoaka daholo ny zavatra rehetra, abaribary. Efa nanody azy ny fahotany.

 

Raha afaka miala amin’ny lalàna ataon’olombelona ianao, dia tsy afaka hiala kosa amin’ny lalàna nataon’Andriamanitra izay manameloka ny faharatsiana rehetra, tsy afaka hiala amin’ny fitsaràn’Andriamanitra izay tena masina tokoa, tsy afaka hiala amin’ny mason’Andriamanitra izay mamaky ny any anaty fonao lalina indrindra any. “Ary tsy misy zavatra àry na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehany; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason’Izay iafaran’ny ataontsika” (Hebreo 4:13).

 

 

Kaonty, fe-potoana

 

Maro ny fahadisoana izay tsy faizin’ny lalànan’olombelona, ohatra: ny fosafosa, ny avonavona, ny hahihirana...nefa dia isain’Andriamanitra ho fahadisoantsika.

 

Ahoana no hanadiovana io kaonty io, ahoana no hialàna amin’ilay fe-potoana? Amin’ny fiaikena ny maha-mpanota antsika eo imason’Andriamanitra ary amin’ny fitadiavana ny famelan-keloka sy ny fanafahana eo amin’i Jesoa; efa nentiny teo ambony hazofijaliana ny fahotan’ireo rehetra mino Azy.

 

Andriamanitra no nitaky, ka tsy maintsy avy Aminy ny vahaolana. Izany valiny izany, dia Kristy sy ny asa notanterahany.

 

Izay mino ny Zanaka, manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy” (Jaona 3:36).

 

Fa Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin’ny fahatezerana, fa mba hahazo famonjena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika, Izay maty hamonjy antsika” (1 Tesaloniana 5:9).

 

Ary maty hamonjy ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’Izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy” (2 Korintiana 5:15).