Ahoana no fomba itenenany ?

 

Fantatrao ve fa miteny ihany koa Andriamanitra, eto amin’ity tontolo izay andrenesana feo samihafa mifanipaka sy toa mifanohitra be ihany ity ? Ao amin’ny Baiboly, izay midika hoe “boky”, no ahitantsika ny teniny ; tsy hoe boky miavaka amin’ny maro ihany izy io, fa boky tsy manam-paharoa, ny Fahamarinana, ny Tenin’Andriamanitra.

 

Nanazava sehatra maro tokoa ny siansa, fa io boky io irery kosa  no hany manazava ny amin’ny sehatra moraly ary manome valiny ireo fanontaniana goavana apetraky ny olombelona : nahoana no misy ny aina, nahoana no misy fijaliana, nahoana no misy fahotana, nahoana no misy fahafatesana ? Ary inona no aorian’io fahafatesana io ?

 

Ny Baiboly irery no manana ny fahefana fara tampony, ambonin’ireo hevitra na fombafomba rehetra misy, satria ao amin’io boky io  dia Andriamanitra mihitsy no miteny amin’ny olombelona.

 

“Tamin’ny alàlan’ny Zanany no nitenenany (Andriamanitra) tamintsika”.

 

“Ary amin’izany dia tokony hotandremantsika mafimafy kokoa izay efa rentsika”.

 

“Tandremo mba tsy holavinareo Izay miteny”

(Hebreo 1:2 (Dikanteny Iombonana); 2:1 ; 12:25).

 

Nahoana Izy no miteny ?

 

Satria Izy Andriamanitra, ary tsy hahatakatra Azy na oviana na oviana ny sain’olombelona. Tsy misy olona afaka mahalala an’Andriamanitra raha tsy Izy no mampahafantara ny tenany, araka izay tiany hampahalalaina.

·             Maneho ny maha Mpahary mahery sy hendry Azy ny zava-boary

·             Ny feon’ny fieritreretana dia maneho ilay Andriamanitra masina, hahatsapan’ny tsirairay ho tompon’andraikitra eo anoloany.

·             Fa mba hahalalana ilay Andriamanitra Mpamonjy, ilay Andriamanitra mijery ny olona nohariany, tia azy, mitady ny hahasambatra azy, dia fomba fiteny hafa no tsy maintsy nampiasaina. Izany no ataon’ny Baiboly. Tsy hoe fitambarana  fitsipika hitondran-tena tsy akory ny Baiboly, mamela hanao izatsy ary mandrara izaroa. Na koa torolàlana ara-pivavahana natao ho an’ireo manam-pahaizana sy ny mpitondra fivavahana. Raha marina tokoa mantsy fa misy ampahany sarotsarotra kokoa noho ny sasany ao anatiny, dia ho azon’ireo rehetra izay mamaky an-kitsim-po  izay votoatin’ny ambarany. Azo eritreretina ve izany Andriamanitra miteny amina  fomba tsy mazava izany? Dia ho marina ve Izy raha toa atokany ho an’ireo olona sasantsasany mahalala ihany ny fanambaràna ny lamina momba ny famonjena nataony?

 

Ny Baiboly no fanambaràna amin’ny olona mpanota an’io Andriamanitra Mpamonjy io.

 

 

 

Iza no itenenany ?

 

Ianao sy izaho, indrindra, izay mpanota, toy ny olona rehetra.

 

Ndeha hanao fanandramana: sokafy ilay Boky masina. Ho hitantsika fa ny fomba fiteniny dia mivantana, mazava, masiaka amin’ny zavatra tiantsika hafenina, fa manambitamby sy mampahery kosa raha vantany vao maka am-panetrentena ny toerantsika  eo imason’Andriamanitra isika.

 

Oharina amina  kanonta manorotoro ny vatolampy ny Tenin’Andriamanitra (Jeremia 23:29). Ary tena mafy ny fon’olombelona!

 

Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela... ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo. Ary tsy misy zavatra ary na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehany; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason’Izay iafaran’ny ataontsika” (Hebreo 4:12-13).

 

Ilay Andriamanitra mahalala tsara anao, tia anao, mitady anao, no miteny aminao amin’ny alàlan’io boky io. Ny famakiana ny Baiboly dia fihainoana an’Andriamanitra.

 

 

 

 

 

 

 

Inona no ambarany aminao ?

 

Aleo omentsika Azy ny fitenenana :

 

Miomàna hihaona amin’Andriamanitrao !” (Amosa 4:12).

 

“ Ary tahaka ny nanendrena ny olona ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany dia hisy fitsarana “  (Hebreo 9:27).

 

Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay”  (Jaona 3:16).

 

“Mahatoky ka tokony hekena amin’ny fankasitrahana rehetra izao teny izao : tonga tetỳ ambonin’ny tany i Kristy Jesoa hamonjy ny mpanota” (1 Timoty 1:15)

 

“Ny ran’i Jesoa Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra” (1 Jaona 1:7)

 

“Anio, raha hihaino ny feony ianareo, aza manamafy ny fonareo” (Hebreo 3:7).