…ahaterahana

 

Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakàn’Andriamanitra izy. Izay ateraky ny nofo dia nofo,ary  izay ateraky ny Fanahy dia fanahy” (Jaona 3:5-6).

Teny mahagaga tokoa, nefa teny marina, teny ao amin’ny Baiboly, tenin’ny Tompo Jesoa Kristy. Misy tokoa izany ny fahaterahana indroa, misy fomba roa ahaterahana.

Mitovy daholo ny fomba nidirantsika rehetra tetỳ an-tany, tamin’ny nivoahantsika avy ao amin’ny kibon’ny reny. Jesoa, ilay Zanak’Andriamanitra, dia nanery tena hanao izany koa mba hamonjena antsika, naka endrik’olombelona Izy, teraka avy tamin’i Maria Virijiny. Fa ankoatr’io fahaterahana ara-boa-janahary io, dia miresaka momba ny “fahateraham-baovao” ny Tompo, fahaterahana “avy amin’ny Fanahy”, izany hoe fandraisana ny fiainana mandrakizay avy amin’Andriamanitra, izay fomba idiran’ny olombelona ho anisan’ny  ankohonan’Andriamanitra. Inona no hatao ahazoana izany? Ny mandray azy toy ny fanomezana maimaimpoana avy amin’Andriamanitra ho an’izay mibebaka sy mino an’i Jesoa Mpamonjy, maty teo amin’ny hazofijaliana mba hitondra ny fahotantsika.

Izay mino ny Zanaka no manana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:36).

Tsy nisy nisafidy ny ho teraka tetỳ an-tany isika; ny mifanohitra amin’izany kosa, ny fahaterahantsika ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra dia miankina amin’ny fanekentsika. “Tsy maintsy hateraka indray ianareo” (Jaona 3:7).

 

…iainana

 

Mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’Izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy” (dia i Jesoa Kristy) (2 Korintiana 5:15).

Mizara roa ny fiainantsika: misy ny adidy, ary misy ny fialam-boly, izay arakaraka ny fiaraha-monina misy antsika, arakaraka ny fahaizantsika, arakaraka ny zavatra tiantsika.

Raha ny marina, dia fomba roa ihany no jeren’ny Baiboly ho fomba fiainana. Ny voalohany dia ny miaina ho anao, miaina ny fiainanao. Izany hoe raisina ho toy ny fanananao manokana izany fiainana izany, harena azonao laniana araka izay itiavanao azy ary tsy ananan’iza na iza zo hijery. Diniho amin’ny saina tsy miangatra hoe! Nitondra izay rehetra notadiavintsika ve io fiainana io?

Fa manasa antsika kosa Andriamanitra, rehefa nino Azy isika, mba hiaina ho an’i Jesoa Kristy. Nosoloina tanjona vaovao ilay fanomezana fahafaham-po ny ‘izaho’: manomboka izao aho dia miaina ho an’Olon-kafa, izay tompoko, tiako ka noho izany sitrako ny hanao izay tadiaviny. Noho ny nitiavan’i Jesoa  ahy hatramin’ny nanolorany ny ainy hamonjena ahy no nahazoany  zo hahazo ny fitiavako. Raha manomboka izao, voasolon’ny sitrapony, izay tsara sy hendry, ilay sitrapoko nitondra ahy ho any amin’ny fahaverezana, dia tsy fanandevozana sarotra zakaina izany fa kosa valiny fitiavako Azy noho ny nitiavany ahy, ary valiny feno fifaliana. Io fiainana io ihany no fiainana feno, fiainam-pahasambarana.

Fa Kristy no anton’ny ahavelomako”, hoy ny apostoly Paoly (Filipiana 1:21).

 

 

…hahafatesana

 

Fa raha tsy mino ianareo fa Izaho no Izy, dia ho faty amin’ny fahotanareo ianareo” (Jaona 8:24).

Sambatra ny maty, dia izay maty ao amin’ny Tompo” (Apokalypsy 14:13).

Na inona na inona antony ahafatesana voarakitra amin’ny antontan’isa samihafa, na maty ao am-pandrianao ianao, na any amin’ny hopitaly, na eny an-dàlana... tsy misy afa-tsy fomba roa no ahafatesana, araka ny fanambaràn’ny Soratra Masina. Ny voalohany, izay mampivarahontsana tokoa, dia natokana ho an’ny tsy mino. “Fa raha tsy mino ianareo fa Izaho no Izy (i Jesoa, Ilay Zanak’Andriamanitra), dia ho faty amin’ny fahotanareo ianareo”. Ny hoe maty ao amin’ny fahotanao, dia ny miseho eo imason’Andrimanitra, izay masina, toy ny olo-meloka eo anoloan’ny mpitsara, ka azo antoka fa homelohina. Ireo fahotana nohadinoina na nohamaivanina (nefa voarakitr’Andriamanitra) dia haseho eo ambany mason’ny tsirairay indray andro any. Tsy hisy mpisolo vava eo amin’io fitsarana io, fa kosa Mpitsara tsy azo ifonana, ary mahalala ny zavatra rehetra.

Fa ny fahasoavan’Andriamanitra dia nanome ny mino fomba hafa ahafatesana. Ny hoe “maty ao amin’ny Tompo” dia ny mitafy ny Fahamarinany, izay hany hiaro anao amin’ny fanamelohana.

Tsy ny olona faran’izay ratsy tsy akory no ho any amin’ny helo, fa ireo izay tsy nanaiky ny Mpamonjy. Ary tsy ny olona mendri-kaja tsy akory no hahazo toerana any an-danitra, fa ireo olona izay maty nino an’i Jesoa, ary ireo irery ihany, satria nino an’i Jesoa izy ireo.

 

…hitsanganana amin’ny maty

 

Fa avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana ny feony; dia hivoaka izy: izay nanao tsara dia ho any amin’ny fitsanganana ho fiainana; fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin’ny fitsanganana ho fahamelohana” (Jaona 5:28-29).

Na manirikiry ny sain’olombelona na tsia ny fitsanganana amin’ny maty, dia zavatra efa voaporofo tamin’ny nitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty izany ary fahamarinana fototra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra (vakio ny 1 Korintiana 15). Ny vao mainka tsy azon’ny saina sy tsy ekena, dia tsy ho iray ny fitsanganana amin’ny maty fa ho roa.

Ny fitsanganana ho  fiainana dia ampanantenaina an’ireo izay nahazo ny fiainana mandrakizay noho ny fahasoavan’Andriamanitra, ka noho izany dia voadio tamin’ny fahotany. Rehefa maneno, tsy ho ela intsony, ilay trompetran’ny Tompo Jesoa Kristy, dia tsy maintsy haverin’ny fahafatesana Aminy ireo olony. Hivoaka avy ao am-pasana izy ireo, hitafy vatana feno voninahitra, ary hakarina “hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka” mba “ho any amin’ny Tompo mandrakariva” (1 Tesaloniana 4:17).

Ny fitsanganana faharoa dia hiseho fotoana lavitra aoriana. Io no antsoina hoe fitsanganana ho fahamelohana, satria ireo rehetra voakasik’izany dia tsy maintsy hiseho eo anoloan’ny seza fiandrianan’Ilay Mpitsara tsy refesi-mandidy,  mba handray ny valin’ny fahotany sy handre ny fanamelohana azy.

 

Fomba roa… manamarika sokajin’olona roa, ary roa ihany. Aiza amin’ireo no hisy anao?