Avy amin’ny savorovoro ho amin’ny fiadanana

 

Voavonjy amin’ny asa ?

 

Tokony ho tsapan’ny olona fa meloka sy tsy manana na inona na inona halahatra izy eo imason’Andriamanitra, ary tsy maintsy hijoro eo anatrehany hiatrika ny famirapiratan’ny fahamasinany sy ny fahenjanan’ny fitsaràny.

 

Tsy afaka ny hihevi-tena ho madio isika raha hiseho eo anatrehan’Andriamanitra satria samy efa nanota indray mandeha fara fahakeliny teo amin’ny fiainantsika : iza no mbola tsy nandainga ? Izay dia efa ampy tsy ahazoantsika mitonon-tena ho marina. Noho izany, tsy ilaina ny manao izao asa soa rehetra izao ho filàn-tsitraka amin’Andriamanitra hanantenam-pamonjena. Fahotana tokana fotsiny mantsy dia ampy hahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra ary, noho izany, dia ny fanamelohana mandrakizay. Tsy ilaina akory ny miteny hoe : “tsy namono olona aho, tsy nangalatra na nijangajanga, koa inona no tokony hamaizan’Andriamanitra ahy ?”. Tsy mahavonjy na iza na iza amin’ny fahotany ny ezaka hanatsarana izao tontolo izao, ny fametrahana lalàna hankatoavina, ny fanajana ireo fadifady rehetra, ny fanatontosana an-tsakany sy an-davany ireo adidy ara-pivavahana. Tsy voatampintsika maso amin’ny fanaovana izao asa soa rehetra izao Andriamanitra.

 

Araka ny Baiboly, “raha hoy isika : tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika” (1 Jaona 1:8).

 

Mety ho vitantsika ny hitandrin-tena tsy hanao heloka bevava hanamelohin’ny olona antsika avy hatrany ; kanefa, na ny fahatezerana, na ny fitenenan-dratsy, na ny fitsiriritana, na ny sain-dratsy, na ny filàn-dratsy mbamin’ny eritreritra maloto dia efa fahotana eo imason’Andriamanitra.

 

Mety hahazo sitraka amin’ny olona sy hoderainy tokoa isika, fa Andriamanitra kosa mahalala ny tena toe-pontsika. Raha izany àry no toerana misy antsika, tsy misy azo atao afa-tsy ny mangovitra sy manontany tena hoe : Iza no afaka hamonjy ahy ? Fanontaniana tsy azo anaovana somonga izany, satria samy mbola hadinin’Andriamanitra ny tsirairay, indray andro any.

 

Aiza ary ny làlan-kivoahana ? Aiza no hahitana ny làlam-pamonjena ?

 

Ny hetahetan’ny fanahy te hihavana amin’Andriamanitra dia tsy ho tonin’ireo antokom-pivavahana isan-karazany, na ny filôzôfia na ny sekta. Samia isika manontany tena matotra tsara hoe : iza no afaka hamonjy antsika ka hanafaka antsika amin’ny fisalasalana, ny fikorontanan-tsaina, sady hanome antsika ny fahazoana antoka sy ny fitoniana ?

 

Afaka miaina araka izay maha-diavolana ny saintsika isika, saingy ny zava-misy dia izao : tsy manam-piadanana ny fanahy, mitebiteby izy vantany vao mamisavisa ilay andro hifanatrehany amin’Andriamanitra mba hotsaraina. Ary tsy hitondra afa-tsy tebiteby ny fieritreretana hoe hijoro eo anoloan’Andriamanitra, raha mbola tahotra sy tsy fahazoana antoka no ao anaty. Mila fanantenana miorina amin’ny fahamarinana tsy azo hozongozonina isika.

 

Fijaliana ihany no anjaran’ny fanahy manirery, tsy manana na inona na inona halahatra eo anatrehan’ny Mpahary azy : mangetaheta fiadanana azo antoka izy.

 

Mitondra famonjena sy fiadanana i Jesoa

 

Ireo rehetra ireo no antony nanirahan’Andriamanitra an’i Jesoa, satria Izy irery no hany nahatanteraka ny zavatra takian’Andriamanitra. Izy irery no afaka nahalala sy nizara ilay fanirian-dehibe tao amin’Andriamanitra mba hamonjy ny olo-meloka.

 

Raha azonao tsara ireo zavatra rehetra ireo, dia aoka ianao hitsahatra amin’ny hadalanao ka hanaiky fa Jesoa Kristy irery no làlana mankany amin’Andriamanitra. Izy rahateo no efa nilaza hoe: “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alàlako” (Jaona 14:6). Aoka ho fantatrao koa fa “raha manaiky an’i Jesoa ho Tompo amin’ny vavanao ianao ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao” (Romana 10:9). Hoy koa ny Baiboly hoe: “Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy” (Romana 10:11). Amin’izay fotoana izay ianao dia ho afaka hiaina an’ity teny fampanantenàn’i Jesoa Kristy ity, manao hoe: “Fiadanana no avelako ho anareo; ny fiadanako no omeko anareo” (Jaona 14:27). Azo antoka tokoa io fampanantenana io satria “ny rany (ran’i Jesoa) teo amin’ny hazofijaliana no nanaovany fampihavanana” (Kolosiana 1:20).