Zoma 24 Desambra 2027

Tonga Izy (ny Kristy Jesosy) ka nitory teny soa mahafaly milaza fihavanana taminareo izay lavitra. Efesiana 2:17

Ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa. 1 Jaona 3:2

 

Nahoana Andriamanitra no nitafy vatan’olona ?

Ny finoana kristiana dia manambara trangan-javatra tsy fahita : roa arivo taona mahery lasa izay, Andriamanitra, Ilay Mpahary ny lanitra sy ny tany, dia tonga olona, ankizy kely toa ohatra ny ankizy kely hafa rehetra ihany. Nihalehibe tetỳ an-tany Izy, tao amina ankohonana tsotra, nianatra asa iray, ary niaina fiainana fohy, nandritra ny telopolo taona teo ho eo, talohan’ny nanomboana Azy teo amina hazofijaliana.

Nahoana moa ?

Satria, araka ny ambaran’ny Baiboly antsika, Andriamanitra dia fitiavana. Nikomy taminy ny olona noarìny, ka tokony ho nolevoniny (vakio Genesisy 6:5-7). Tonga olona anefa Andriamanitra, dia Jesosy, mba ho faty hisolo toerana antsika : „Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’Andriamanitra” (1 Petera 3:18). Satria Olona lavorary Izy, ny fahafatesany dia afaka manaisotra ny fahotan’ireo rehetra mino fa maty Izy, nisolo toerana azy ireo, ary nitsangana velona indray.

Te hanatona antsika Andriamanitra. Talohan’ny nampidiran’ny olombelona ny ota teto amin’izao tontolo izao (vakio Genesisy 3), Andriamanitra dia nankao an-tsaha Edena namboariny ho azy ireo, mba hanana fifandraisana mahafinaritra amin’ny olona noarìny. Tapaka izany noho ny ota. Nefa tonga Jesosy, Ilay Andriamanitra nanjary olona, mba hamerina indray ireo fifandraisana ireo. Hitantsika Izy, ao amin’ireo filazantsara, nandeha teto anivontsika tetỳ an-tany. Dia hitantsika tamin’ny fihetsiny sy ny fiainany ary ny fahafatesany, ireo toetra mahatalanjon’Andriamanitsika, Ilay Mpahary sy Mpamonjy antsika. Nanomboka hatreo, izay manaiky ny asa nataon’ny Kristy teo amin’ny hazofijaliana dia madio eo imason’Andriamanitra, vita fihavanana aminy, ary hiditra tsy ho ela any amin’ny fanatrehany.