Alakamisy 23 Desambra 2027
Isika tia, satria Izy (Andriamanitra) efa tia antsika taloha. 1 Jaona 4:19
Ry kristiana namana, rehefa nanaiky an’i Jesosy Kristy ho Mpamonjintsika isika, dia nandray avy amin’Andriamanitra, toetra vaovao afaka mitia Azy. Saingy eo amin’ny fiainana izany, toy inona moa ny fahatsapantsika tena ho tsy mahefa mitia ! Nefa dia maro ny andinin-tSoratra Masina mampirisika antsika hilaza ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy an’i Jesosy Kristy Zanany.
„Jesosy Kristy… na dia tsy mbola hitanareo aza, dia tianareo, ary na dia tsy hitanareo ankehitriny aza, nefa, satria inoanareo, dia iravoravoanareo” (1 Petera 1:7-8). Ny toetra maha olona antsika dia faly mampiasa ny masombatana (ny fahitana, ohatra, na ny faharenesana) mba hankafizana ilay zavatra hotiavina, na ilay olona tiantsika. Amin’ny alalan’ny finoana anefa isika dia afaka miraiki-po amin’ny Tompo Jesosy, Izay namonjy antsika. Rehefa mamaky ny Baiboly isika, dia mianatra mahafantatra Azy ho Sakaiza ; ary amin’ny vavaka dia afaka miresaka aminy.
„Ny Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan’Andriamanitra ho ao am-pontsika” (Romana 5:5). Amin’ny alalan’ny Fanahy Masina isika dia afaka mamaly io fitiavana io.
„Ry malala, aoka hifankatia isika ; fa avy amin’Andriamanitra ny fitiavana, ary izay rehetra tia no naterak’Andriamanitra sady mahalala an’Andriamanitra” (1 Jaona 4:7). Manaporofo ny fitiavantsika an’Andriamanitra isika, rehefa mitia ny rahalahintsika na anabavintsika ao amin’ny finoana, mbamin’ny olona rehetra. Raha mampiasa io fitiavana avy amin’Andriamanitra io isika, dia afaka manambara hoe : „Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha”.