Alarobia 3 Novambra 2027

(Hoy Jesosy :) Aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Jaona 13:34

Ny Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan’Andriamanitra ho ao am-pontsika. Romana 5:5

 

Nahomby ny fisaraham-panambadiako

Fanambarana tao amina gazety-boky iray io, niaraka tamin’ny sarina vehivavy iray mitsikitsiky, mpanentana fandaharana ao amin’ny fahitalavitra. Na hentitra aza izy manambara izany, dia tsy afaka hampanadino fa endrika tsy fahombiazan’ny fanambadiana ny hoe misara-panambadiana, eo anatrehan’ny olona sy eo anatrehan’Andriamanitra. Satria manambara ny Baiboly hoe : „Izay nakamban’Andriamanitra, dia aoka tsy hampisarahin’olona” (Marka 10:9). Araka izany, ny fisaraham-panambadiana dia fanekena mandra-maty tsy notanterahina. Mahafaly kokoa ny fanambadiana mitoetra ho maharitra, noho ny fisaraham-panambadiana, na dia ohatra ny tsy misy olana aza ilay fisarahana. Ambonin’izany, matetika dia matetika no ny iray ihany amin’ny mpivady no misafidy io fisarahana io ; nefa „fahombiazana” ve izany ho an’ilay niharany, na ho an’ny zanak’izy ireo ? raha manana izy ireo.

Nefa ankehitriny, any amin’ireo firenena any Eoropa, dia miafara toy izany ny efa ho antsasaky ny fanambadiana. Inona no manakana mpivady maro tsy hiaina fahasambarana maharitra ? Ny antony lazaina matetika dia hoe : „Tsy mifankatia intsony izahay”, toy ny hoe lahatra izany ka tsy afaka ialana mihitsy, tsy misy fanafana. Taratry ny fitiavantenan’ny olombelona !

Andriamanitra, ao amin’ny Baiboly, dia mitaona ny mpivady hifankatia tsara, hifanome voninahitra, hifanampy, hifanaja sy hifampatoky. Na izany aza anefa, fantatsika rehetra fa ny fitiavan’olombelona dia mirona hihamangatsiaka, rehefa mandeha ny fotoana. Nefa Andriamanitra te hampita amintsika ireo toetran’ny fitiavany. Tsy mba mety sasatra mihitsy ny fitiavan’Andriamanitra, fitiavana tsy miandry valiny. Andriamanitra dia tia antsika araka ny maha isika antsika, ary maniry ny hitiavantsika ny vadintsika, tahaka Azy tia antsika, amina fitiavana maharitra sy tsy miova.