Talata 2 Novambra 2027

Mihavàna amin’Andriamanitra anie ianareo. 2 Korintiana 5:20

Misy fanao iray itenenan’Andriamanitra, eny, fanao roa aza, nefa tsy tandreman’ny olona izany. Joba 33:14

 

Titan sy Titanic

Mandray ireo fampitandreman’Andriamanitra

Jona 2023:111 taona talohan’izany, nikoa ny sambo mpisitrika Titan nandritra ny fisitrihany, saika hitondra ireo mpandeha tao aminy, hanakaiky ny sisa tavela tamin’ilay sambo lehibe malaza Titanic, nandona bolongan-dranomandry mitsinkafona ka rendrika, tamin’ny dia nanokanana azy. Tsy nisy velona na iray aza, tao amin’ireo sambo roa ireo.

Loza roa, toejavatra mitovitovy roa : tsy noraharahaina ireo fambara fanairana. Nilazana mialoha ny kapitenin’ny Titanic, hoe misy ranomandry eny amin’ny lalany, nefa dia nirimorimo tanaty alina tsy nisy volana izy (mbola tsy nisy ny radara tamin’izany fotoana izany, fa masolavitra no fampiasa itazanana izay haleha, nefa tsy hita izy ireo). Ny sambo Titan indray dia niainga ihany, na nilaza ny fanahiany aza ireo manampahaizana manokana, hoe mbola vaovao loatra ireo fitaovana nandramana, mbola tsy nosedraina firy.

Ary eo amin’ny fiainantsika, inona no ataontsika ? Misy fampitandremana iray mety hovidina mbola lafo kokoa noho ny fiainana eto an-tany, raha atao tsinontsinona. Io dia ilay fampitandremana mitaona ny olona hihavana amin’ny Mpahary azy. Mivoatra ny teknolojia, mba hampanana filaminana ny olombelona, fa ny fon’ny olona kosa tsy miova : mpanota, voaheloka hijaly, tafasaraka mandrakizay amin’Andriamanitra Mpahary azy. Andriamanitra anefa dia nanao izay rehetra hitsimbinana antsika, mba tsy hiharan’izany fanamelohana mampivarahontsana izany isika : „Nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16). Ny mandray ara-bakiteny io fampitandremana io dia ampy hahavoavonjy mandrakizay. Efa nanao izany ve isika ?