Alarobia 27 Oktobra 2027

Izay miantra ny malahelo dia mampisambotra an’i Jehovah, ary izay nomeny dia honerany kosa. Ohabolana 19:17

… hizara ny mofonao ho an’ny noana … ianao. Isaia 58:7

 

Resaka frômazy

Marcel Saltzmann, kristiana frantsay (alzasiana), dia mitantara ao amin’ny bokiny „Voafonja … nefa afaka” ny zavatra niainany. Nandritra ny Ady lehibe faharoa, tamin’ny nifehezan’i Alemaina an’i Frantsa izy dia nandà tsy hampiasa ny fomba fiarahabana nazi (nasionaly-sosialista), fa naleony nampiasa ny fiteny any Alemaina sy Ôtrisy hoe „Grüss Gott”, izany hoe : „Hiarahaba anao anie Andriamanitra”. Imbetsaka izy no nadinin’ny Gestapo (Polisim-panjakana alemana miafina), nezahiny norahonana, avy eo natao sesitany niaraka tamin’ny vadiny.

Nogadraina tany amina toby iray izy ireo, ary nifanerasera tamina vehivavy iray narary sy mosarena. Nilaza tamin’i Saltzmann ny vadiny hoe nitondra frômazy kely avy tany an-tranony tamin’ny fotoana nisamborana azy ireo, mbola any aminy. Tahirin-tsakafo ho azy ireo io, nefa rehefa nieritreritra izay ho nataon’i Jesosy izy mivady, dia nanome ilay izy an’ilay vehivavy reraka, izay nisaotsaotra fatratra.

Andro vitsivitsy tatỳ aoriana dia nisy olona iray tonga nitsidika ny toby, ary nanontanitany azy ireo momba ny fiainany an-tsesitany. Sady niresaka io mpitsidika io no nanakaiky dia akaiky an’i Marcel, ary nanery azy mihitsy. Fa inona àry no tiany natao ? Rehefa lasa ilay mpitsidika, dia hitan’i Marcel fa nisy fonosana tao am-paosiny. Inona no tao anatiny, hoy ianao ? frômazy ! Frômazy lehibe avo telo heny sy natsiro lavitra noho ilay nomen’izy ireo an’ilay vehivavy narary. Noraisin’izy mivady ho avy amin’Andriamanitra mihitsy io fanomezana io. Anjely ve ilay namangy azy ireo ? Na izany na tsy izany, Andriamanitra tsy manadino ny olony. „Na zovy na zovy no manome rano mangatsiaka, na dia eran’ny kapoaka ihany aza, hosotroin’ny anankiray amin’ireo madinika ireo… dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany” (Matio 10:42).