Talata 26 Oktobra 2027

Tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita ; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay. 2 Korintiana 4:18

 

Tontolo hafa

Efa ho 50 taona lasa izay i André Frossard, mpanoratra kristiana, dia namoaka boky nomeny lohateny hoe : „Misy tontolo iray hafa”. Lohateny mitaona antsika hieritreritra. Ny fiarahamonina misy antsika dia mirona hametra ny tontolon’ny olona ankehitriny amin’izay hita maso sy azo tsapain-tanana.

„Tsy mino afa-tsy izay hitako aho” : izany no teny baikon’olona maro. Ny lohatenin’ny bokin’i André Frossard anefa dia manambara fa ankoatra ny zavatra hita maso sy azo tsapain-tanana, dia misy tontolo iray hafa tsy azontsika an-tsaina mihitsy. Ambonin’izany dia ambaran’ny andinin-tSoratra Masina androany fa manan-danja lehibe lavitra noho ny tontolo hita maso ny sehatry ny tsy hita maso. Koa tokony hisintona bebe kokoa ny saintsika sy hahaliana kokoa antsika io sehatra io, noho ny tontolo hita maso, izay mihelina fotsiny.

Hisy hilaza hoe : „Ahoana no hahafahako mahatsapa tontolo tsy hitako maso ?”

Tsy mahatsikaritra ny tsy hita maso tokoa mantsy ny masom-batantsika, fa ny finoana kosa dia mahatsapa izany. Ny tontolo tsy hita maso no lohahevitra lehibe ao amin’ny Baiboly, izay tena tenin’Andriamanitra. Noho izany ny finoana dia tsy minomino foana tsy akory, na tarihin’ny nofinofy, fa matoky an’Andriamanitra ary miantehitra amin’izay lazainy ao amin’ny Teniny. Ilay Andriamanitra tsy hita maso dia naneho ny tenany tao amin’i Jesosy Kristy. Tonga tetỳ an-tany Izy mba hampiseho ny fahamasinan’Andriamanitra, izay tsy misy fetra, sy ny fitiavany ny olona tsirairay. Jesosy dia manokatra ho antsika tontolo hafa, ankoatra ny tontolo hita maso. Taomina hiditra ao ny tsirairay. Maty teo amin’ny hazofijaliana Jesosy, hamonjy antsika. Dia nofoanany izay nampisaraka antsika tamin’Andriamanitra, izany hoe ny ratsy ao anatintsika : ny ota. Mino izany ve ianao ?