Alakamisy 21 Oktobra 2027
Na dia ny fitafiany ihany aza no voatendriko, dia ho sitrana aho. Marka 5:28
Raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao ianao, ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao. Romana 10:9
Nisy vahoaka maro nanaraka an’i Jesosy. Tampoka teo dia nijanona Izy, ary nanontany hoe : „Iza izany nanendry (nikasika) ny lambako izany ?” Fanontaniana manaitra, noho Izy teo anivon’olona maro nifanizina. Nefa fantatr’i Jesosy fa nisy olona nikasika Azy tam-pinoana, satria nisy hery niala taminy.
Nisy vehivavy iray tokoa mantsy, narary nandritra ny 12 taona, niaina tanaty henatra sy fanilihana, nanatona Azy. Araka ny Lalàna izy dia tsy nahazo nikasika an’iza na iza. Natoky izy fa ho sitrana, na tsy mikasika an’i Jesosy akory aza : „Na dia ny fitafiany ihany aza no voatendriko, dia ho sitrana aho”. Tsy diso hevitra izy. Raha vao nikasika ny akanjon’i Jesosy izy, dia afaka ny aretiny.
Noho izany dia niantoraka teo anoloan’i Jesosy izy, namboraka taminy ny marina. Namaly azy Jesosy hoe : „Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao : mandehana soa aman-tsara, ary sitràna amin’ny aretinao”. Nino izy fa mahasitrana azy ny hery sy fitiavan’i Jesosy, nefa tsy te ho fantatr’olona. Tian’i Jesosy ho hita maso ny finoany sy ny fahasitranany, ka notaomin’i Jesosy izy hijoro ampahibemaso ho vavolombelon’izany.
Azo hatonina mandrakariva ny Tompo, vonona handray, vonona hamaly ny finoana. Na inona na inona fahoriantsika, ndao ho sahy hanandratra ny tanantsika aminy ! Vavaka fohy dia ampy. Aza atao ampitso lava izany. Aza miady amin’ireo zava-manahirana antsika, fa aleo manatona an’i Jesosy, mba handray avy aminy ny famelan-keloka, ny fahasoavany, ary ny fanafahany. Ary ndao hanambara amin’ny manodidina antsika izay nataon’i Jesosy ho antsika.
„Tompo ô, ampio aho hitodika aminao, hametraka aminao ireo zava-manahirana ahy, ary hahita, amin’ny alalan’ny finoana, ny lalana mankeo aminao.”