Alarobia 20 Oktobra 2027
Izany rehetra izany no ataon’Andriamanitra indroa amin’ny olona, eny, intelo aza, mba hamerina ny fanahiny tsy ho any an-davaka, mba hihazavany amin’ny fahazavan’aina. Joba 33:29-30
Anio, raha hihaino ny feony ianareo, aza manamafy ny fonareo. Hebreo 3:15
Taona vitsivitsy lasa izay dia nifanakalo hevitra momba ny finoana kristiana tamina vehivavy mpiara-miasa iray aho, mpiara-miasa nanontany tena fatratra ny amin’izany. Nomeko Baiboly tamin’ny fiteniny izy, ary nilazako hamaky ny Filazantsara nosoratan’i Jaona, aloha. Taoriana-na fihaonana maromaro dia nihalalina ny fandinihany, ka nampahatsiviny ahy ireto zavatra manaraka ireto :
„Fony mbola kely aho dia nisy zokiolona iray tao amin’ny fianakaviako, nanome Baiboly ahy. Nefa tsy nojereko ilay izy.
Tatỳ aoriana aho dia nampidirin’ny reniko tao amina andian’ankizy miara-manao fialan-tsasatra. Hetsika kristiana ilay izy ! Ka nitady hody avy hatrany aho. Nefa satria aho tsy dia nasaina nandray anjara firy tamin’ireo lahasa, dia nijanona ihany. Ary nony farany, dia mbola Baiboly indray no nomena ahy !
Manaraka izany, indro izaho sy ny reniko fa toa narovan’Andriamanitra tsy hiharana lozam-pifamoivoizana an-dalamby, nahafatesana olona maro. Diso fotoana izahay ka tsy nahatratra an’io fiarandalamby io.
Hitanao ? intelo izao no nisy nandondòna moramora tao am-baravarako…”
Miharihary fa niasa tao am-pon’io olona io Andriamanitra, nanomboka tamin’izy mbola kely. Tsy fantatro izay nataony taorianan’ny nihaonanay farany. Mahari-po Andriamanitra, nefa mampidi-doza ny manjehy ny andro ho lava.
Toy izany no andondonan’Andriamanitra eo amin’ny varavaran’ny fontsika. Tokony hamaly avy hatrany isika. Hoy Jesosy : „Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna ; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko” (Apokalypsy 3:20).