Alatsinainy 18 Oktobra 2027

Na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny fo, tahaka ny ho an’ny Tompo, fa tsy ho an’olona, satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny lova, ho valiny ; fa manompo an’i Kristy Tompo ianareo. Kolosiana 3:23-24

 

Eo mandrakariva ny lehibeko !

Indray maraina, tao amina orinasa iray dia nitsiky ity vehivavy mpiasa tao niteny hoe :

— Tsy misy teritery anio : tsy eo ny lehibe !

— Ny lehibeko eo mandrakariva ! hoy kosa ny navalina mpiara-miasa aminy, izay fantatra fa kristiana.

Io fanamarihana io dia manazava tsara ny andinin-tSoratra Masina etsy ambony. Raha mpino isika dia hiezaka hanatanteraka ireo asantsika andavanandro amin’ny fiheverana ny lehibentsika, dia Jesosy Kristy. Hiezaka isika hanompo Azy amin’ny fo mahatoky, am-pitiavana, ary am-pandavantena, na inona na inona asantsika, ary na iza na iza mpampiasa antsika.

Marihina fa Jesosy Kristy dia antsoina hoe „Tompo”, ao amin’io andinin-tSoratra Masina io. Tokony hotsahivina fa ao amin’ny taratasiny ho an’ny Kolosiana, ny apostoly Paoly dia miteny amina mpanompo na andevo, izay matetika nanana tompo mpila voatsiary sy lozabe. Io teniny io dia tsy fampahatsahivana fotsiny ny adidin’izy ireo, fa fampirisihina azy ireo koa hanoa ny Tompo Jesosy, Izay Tompo tsara. Afaka nanatontosa ny asa mafy nampanaovina azy izy ireo, „tahaka ny ho an’ny Tompo”, satria matoky fa indray andro any dia handray lova mandrakizay any an-danitra, eo anatrehan’i Jesosy. Hery lehibe toy inona moa, ho azy ireo ! ny nahafantatra fa izy ireo dia manana Ray any an-danitra, Izay mahita ny fijaliany sady tia azy ireo aoka izany. Izy ve tsy naniraka an’i Jesosy Kristy Zanany mba hamonjy azy ireo ?