Alahady 17 Oktobra 2027

(Hoy Jesosy :) Raha teo aminareo isanandro teo an-kianjan’ny tempoly Aho, dia tsy naninji-tànana tamiko ianareo ; fa izao no fotoananareo sy herin’ny maizina. Ary izy ireo nisambotra an’i Jesosy, dia nitondra Azy ho ao an-tranon’ny mpisoronabe. Lioka 22:53-54

 

Ny fotoanany : Nitondra Azy (2)

Raha mbola tsy tonga ihany koa ny fotoanan’ny Tompo Jesosy, dia tsy misy olona afaka hisambotra Azy. Nefa nisy fotoana iray, namelan’Andriamanitra ny olona hitondra Azy hatreo amin’ny hazofijaliana.

„Nitondra Azy” ho ao an-tranon’ny mpisoronabe ny olona : io no dingana voalohany tamin’ny fitsarana Azy (Soratra Masina androany). Vao maraina ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna dia „nitondra an’i Jesosy ho eo amin’ny Synedriona (ny fitsarana jiosy)”. Avy eo dia „nitondra Azy tany amin’i Pilato” (ny governora romana). Pilato kosa rehefa avy nanadina Azy indray mandeha, dia „nampanatitra Azy tany amin’i Heroda”, mpanjakan’i Galilia. Nanabanty an’i Jesosy i Heroda, nanao Azy ho fihomehezana, ary „namerina Azy tany amin’i Pilato”, izay tsy naharaka intsony ny antsoantson’ny vahoaka ka nanolotra Azy tamin’izy ireo, „hataony araka ny sitrapony”. Nony farany Jesosy dia nentina any amin’ny toerana hampijaliana Azy (Lioka 22:66 ; 23:1, 7, 11, 25, 26).

700 taona talohan’izany ny mpaminany dia efa nanambara hoe : „Tahaka ny zanak’ondry entina hovonoina (Izy)” (Isaia 53:7). Raha jerena ivelany, dia toa nanao izay tiany natao tamin’Ilay Mpahary ireo mpiara-belona tamin’i Jesosy, toa nandresy ny haratsiam-pon’ny olombelona. Nefa izao no marina : rehefa tonga hisambotra an’i Jesosy ny miaramila, dia nianòtra sy lavo tamin’ny tany, noho ny herin’ny Tompo (Jaona 18:6). Koa araka ny fiandrianany sy ny fahafoizantenany no nanekeny hosamborina, satria „Ny Zanak’olona tsy maintsy hatolotra eo an-tànan’ny mpanota, ka hohomboana amin’ny hazofijaliana, ary hitsangana amin’ny andro fahatelo” (Lioka 24:7). Fandresen’ny fitiavan’Andriamanitra izany : Kristy nanolotra „ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana … hamonjy antsika” (Efesiana 5:2).

Eny, nanaiky hoentina eo amin’ny hazofijaliana Jesosy, noho ny fitiavany antsika tsirairay. Manohina ny fontsika ve izany fitiavana izany ?

(tapitra)