Talata 5 Oktobra 2027

Indro, zava-miafina no ambarako aminareo : tsy hodimandry (tsy ho faty) avokoa isika rehetra. 1 Korintiana 15:51

Isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy (amin’ireo mpino efa natsangana), ho eny amin’ny rahona, hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka. 1 Tesaloniana 4:17

 

Tsia, tsy ho faty avokoa tsy akory isika rehetra !

— Na manao ahoana na manao ahoana dia ny fahafatesana, na ho ela na ho haingana, no miandry antsika rehetra.

— Tsia dia tsia, hoy ny namana kristiana iray. Fantatrao ve fa nisy olona roa, fara fahakeliny, tsy mba niharan’ny fahafatesana ? Enoka, mpino iray fahagola, dia nankasitrahin’Andriamanitra tamin’ny fitondrantenany manontolo, ka nafindrany mba tsy hiharan’ny fahafatesana (Hebreo 11:5). Tatỳ aoriana dia nakarina any an-danitra ihany koa i Elia, ka tsy maty. Ary tanatina kalesy afo aza izy no niakatra any (2 Mpanjaka 2:11) !

Andriamanitra dia nanome fampanantenana mampitolagaga ho an’ny kristiana, ambara ao amin’ireo taratasy nosoratan’ny apostoly Paoly. Ho avy tsy ho ela Jesosy Kristy, haka ny mpino rehetra : ireo rehetra mino an’Andriamanitra. Ireo izay maty ao amin’ny Kristy, aloha, no hatsangana velona indray. Avy eo ireo mpino velona dia hantsoina hiaraka amin’izy ireo, hihaona amin’i Jesosy eny amin’ny rahon’ny lanitra, mba hiara-ampiakarina amin’izy ireo any an-danitra. Izany hoe tsy hahita fahafatesana ireo mpino ireo. Ny toetran’izao tontolo ankehitriny izao, izay nandao tanteraka an’Andriamanitra, dia ahazoana tsindrimandry fa madiva hifarana ny faharipon’Andriamanitra. Miha antomotra io tranga manetriketrika tokana aman-tany io. Tsy ho ela dia hankany an-danitra ireo rehetra nino ny Filazantsara. Amin’izay dia ho diso aoriana loatra ireo izay nandà izany.

Nambaran’Andriamanitra an’i Adama fa tsy ho azo ihodivirana ny fahafatesana, vokatry ny ota. Ny tsy hahafatesana kristiana sasantsasany dia porofo azo antoka fa efa naravon’i Jesosy ny olana momba ny ota, ary efa resiny ny fahafatesana (2 Timoty 1:10). Tsia, tsy ho faty avokoa tsy akory isika rehetra ! Minoa ny Kristy Jesosy, dia tsy handrasanao intsony ho fiafarana tsy afaka ialana ny fahafatesana, fa ho fiverenany haka anao !